· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Febroary, 2012

Porto Riko: Sary 365

  26 Febroary 2012

Manapika sary iray isan'andro tao anatin'ny roa taona ny mpaka sary José Rodrigo Madera [es], ary anatin'ny tetikasany antsoina hoe "365" izany. Ny namany ao amin'ny Facebook ihany no nahita ny sariny mandra-pamoakan'ny gazety-boky Revista Cruce [es] sary 20 amin'izy ireny ho ankafizin'ny rehetra.

Trinite & Tobago: Nandray Anjara Tamin'ny Fetibe ny Mpamahana Bolongana

  25 Febroary 2012

Androany ny Talatan'ny Fetibe ao Trinite sy Tobago ka mpamahana bolongana maro no mandray anjara amin'izany fetibe izany,  nahavita namoaka sary nandritra ny fanatrehany izany Fetibe 2012 izany…ny sasany amin'izy ireo At the drop of a Heartbeat nandefa sary sasany misy ireo hetsika lehibe nandritra ny Fetibe Alatsinainy sy Talata : Globewriter vao...

Ny Fiara Kodiaran-telon'i Azia Atsimo Atsinanana

  22 Febroary 2012

Tuktuk, Beca, Kuliglig, Trishaw, Pedicab, Becak, Tricycle. Ireo no kodiaran-telo malaza be mpanana any amin'ny faritra Azia Atsimo Atsinanana. Hita eny an-dalan'ny tanandehibe izy ireny, saingy miezaka ny handrara ireny posisposy hita na aiza na aiza sy efa entin'ny motera mitatitra olona ireny ny governemanta maro.

Portiogaly: Hetsi-panoherana Ny ACTA

  16 Febroary 2012

Tamin'ny 11 Febroary 2012, tanàna maherin'ny 200 manerana izao tontolo izao no nandray anjara tamin'ilay hetsi-panoherana manerantany ho fanoherana ny ACTA – ny tetikasa fifanarahan'ny firenena maro manohitra ny varotra hosoka (Anti-Counterfeiting Trade Agreement) dia mikendry  hametraka foiben-telefonina iraisam-pirenena ho fiarovana ny zo fizaka-manana ara-tsaina. Tao Portiogaly, olona manodidina ny 300 teo no...