Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Desambra, 2008
Kambôdza: Sary voarara
Noraran'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny sarimihetsika any Kambôdza ny mpikarakara hetsika ara-kolontsaina iray tsy hampiseho sary manangona voalavo, ny sarin'ny mpitarika ny mpanohitra Sam Rainsy ary saripikan'ny olona milahatra ho any...
Korea Avaratra any amin'ny bolongana
Sarotra ny mahazo vaovao avy any Korea avaratra. Raha misy ny olona liana amin'io tanàna io dia tsy maintsy any amin'ny bolongana na dinika napetrak'ireo nitsidika farany io firenena io no todihiny ahafahany mihevitra momba ny toe-javamisy farany any amin'io firenena io. Hitsidika ny tanànan'i Kaesong isika amin'ity lahatsoratra ity, hanadihady ny anjerimanontolo vaovaon'i Pyongyang ary hanamarika ny hafatratry ny fitiavan'ny koreana tavaratra ny marika sarimpamantarana (pins) ny mpitondra ao aminy, eny fa na dia efa ivelan'ny fireneny aza izy.