Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Oktobra, 2018
Shina: Voakiana noho ny tsy fahamarinan'ny fitahirizana sary ny BBC
"Mampiasa efijery LCD isika ankehitriny, ahoana no ahafahan'ny sary miaraka amin'ny efijery antitra be ho voasokajy toy ny vaovao? Mihevitra ve izy ireo fa tsy nivoatra mihitsy isika nandritra izay valo taona izay? Tsy afaka mamorona vaovao diso araka ny tokony ho izy tsara akory aza izy ireo!"
Anjerimanontolo ao Ife
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005) “Sakafo Alahady Atoandro amin'ny Fomban'Ife”, nalain'i Jangbalajugbu-Homeland Stories (rohy maty)
Durbar: Zaria, Nizeria.
Mandritra ny Durbar, manao matso ireo mpitaingina soavaly ary miroso mirongo sabatra sy basy ho fahatsiarovana ny vanimpotoana fahiny izay nampahery ireo Emir rehetra.
Panama: Ny Vondron'ny Indizena Kuna Sy Ny Fampiasàna Ny Teknolojia
Zara raha tafiditra amin'ny aterineto sy ireo teknolojia hafa ny vondrona indizena Kuna any Panama. Avy amin'ny foko Kuna i Gilberto Alemancia, sady mpaka sary sy mpitarika mpizaha tany ampy traikefa. Nitarika ny atrikasa momba ny teknika fipihana sary amin'ny fakàntsary niomerika tamin'ireo ankizy any amin'ny faritra lavitra andriana ao amin'ny firenena izy tamin'ny fitsangatsanganana sasany. Nanam-potoana niresadresahana tamin'i Alemancia momba ny hafanàm-pony i Melissa De León.
Oscar Niemeyer: 100 taona nanaovana haimaritrano sahisahy
Noarahabain'ireo Breziliana sy mpitoraka blaogy manerana ny tany i Oscar Niemeyer, ilay mpahay maritrano maodernista ankalazaina be izay nahatratra ny faha-100 taonany androany ary tena mbola velona tsara, mahira-tsaina, mavitrika ary mirotsaka amina tetikasa maro manerana izao tontolo izao .
Toy ny Trano Fijerena Sarimihetsika i Koety
Mbola betsaka kokoa ny zavatra miafinanoho izay hitan'ny mason'ireo blaogera Koetiana. Amin'ity herinandro ity, Avy aminà Koetiana iray mpampianatra, mpamokatra sarimihetsika ary mpanakanto iray no henontsika. Jerentsika ihany koa ny fomba nanehoan'ny blaogera iray hevitra rehefa tapaka ny herinaratra tany am-piasana ary ny antony mampijanona amin'ny 23 ora ny toerana natokana ho an'ny mpiampita eo anelanelan'ny sampanana roa amin'ny trano fivarotana iray.
Kyrgyzstan: Miakatra ny Vidin'ny mofo, Ketraka be ny vahoaka
Maneho ny horakorany manoloana ny fiakaran'ny vidin'ny mofo ireo blaogera Kyrgyz. Ambany ihany koa ny môraly noho ny fihaonambe iraisampirenena, izay toa hamehy ny fivezivezena ao Bishkek renivohitra. Vaovao tsara? Fitsingerenan'ny taona nahaterahan'ny filoha androany...
Armenia: Tapitra ny Fepetran'ny Tany Latsaka An-katerena, Mitohy ny Hetsi-panoherana
Na dia efa nijanona tamin'ny fomba ofisialy aza ny fepetran'ny tany latsaka ankaterena ao Armenia: mbola mitohy foana ny hetsi-panoherana.
Koety: Tonga Amin'ny Fomba Ofisialy Ny Fahavaratra
Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy ny fahavaratra ao Koety ary miady hevitra mikasika ireo toerana tsara handosirana ny hafanana ireo blaogera. Tsaratsara kokoa ve ny mitady paradisa voaaro mba hitoniana any an-trano na mandeha any am-pitandranomasina ary mety ho tratran'ny orana sy ny alahelo? Vakio ny famintinana ireo blaogy kowetiana nataon'i Abdullatif Al Omar mba hahafantarana izany.
Koety: Fitetezana, Fitsangatsanganana ary Maro Kokoa
Manohy mitoraka blaogy mikasika ny zavatra ataony foana ao anatiny sy ivelan'ny fireneny ireo blaogera Koetiana. Mampahafantatra antsika ny vaovao mikasika ny zavatra niainan'izy ireo i Abdullatif AlOmar.