Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Janoary, 2013

31 Janoary 2013

Adin'ny Graffiti Eny Amin'ireo Rindrina Syriana

Afaka raisina ho toy ny tsy fanarahan-dalàlan'ny olom-pirenena syfanehoan-kevitra milamina ny Graffiti. Na manana ny lanja manokana eo amin'ny fanampiana ireo sahirana aza ny Hetsi-panovàna Syriana; fanovàna manana endrika kanto izany. Iray amin'ireo fomba fampiasan'ny olombelona indrindra ny Sary hosodoko hanehoany ny heviny; izany no fomba haingana indrindra hanehoana hevitra...

27 Janoary 2013

Mampisara-Kevitra an'i Japana Ny Fako Navelan'ny Horohoron-tany

Herintaona sy folo volana izay no lasa hatramin'ny nisian'ilay Horohorontany Goavana tao Atsinanan'i Japana tamin'ny 11 Martsa 2011. Eo am-panaovana dingana amin'ny fanorenana ireo faritra voakasiky ny horohoron-tany, izany dia noho ny fanohanana sy fanampiana avy amin'ny Japana rehetra manerantany. Na dia izany aza, mampizara ny firenena ny olana momba ny fandoroana ireo...

18 Janoary 2013

SARY: Nifarana Am-pilaminana Ny Fihetsiketseha-piraisankina Nataon'ireo Shiita Tao Pakistan

Nifarana ihany ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita notontosaina manerana ireo tanàna ao Pakistan. Natomboka izany fihetsiketsehana izany taorian'ny daroka baomba [mg] nahafaty olona maherin'ny 100 tao amin'ny fiarahamonina Shiita Hazara ao atsimo-andrefan'i Quetta tamin'ny 10 Janoary 2013 [mg]. Manamarika ny andro vono olona mahatsiravina indrindra teo amin'ny tantaran'ny faritany atsimo-andrefan'i Balochistan ao Pakistan ireo daroka baomba. Mpikambana ao amin'ny...

11 Janoary 2013

2012 : Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay (Frankôfôna)

Lasa iny ny taona 2012, ary ho an'ny firenena mpiteny frantsay, irariana ny taona 2013 hitondra filaminana bebe kokoa. Nanamarika ny taona 2012 ny ady mita-piadiana tao Mali, tao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC) [mg] sy tao amin'ny Repoblika Afrika Afovoany (RCA), eo koa ireo fifidianana nampisy adi-kevitra goavana tao Senegaly [mg], tao Quebec [mg] sy tao Frantsa [mg], sy ireo...

Fitsidihan'ny Mpanjaka Telo An'i New York

Tonga ireo mpanjaka telo ary lasa, saingy tsy maintsy nandalo ny tanànan'i New York hiara-hankalaza amin'ny kilonga an-jatony nanatrika sy nandray anjara tamin'ny lanonana. Anisan'ny kolontsaina nentin-drazana hatramin'ny taonjato maro ity fomba fankalazana krismasy PortoRikana sy Amerikana Latina ity.