Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Aogositra, 2016
Nody Ny Maty, Fotoana Izao Ao Japana Hilanonana
Sary avy ao amin'ny Instagram mampiseho ireo mponina Japoney mandresy ny hafanana amin'ny alàlan'ny fandihizana eo ambanin'ireo kintana sy ny hazavan'ireo jiro amin'ny tapaky ny fahavaratra.
Sary: Mizara Fijery Iray Tsy Fahita Maneho Ny Fireneny Ity Mpitondra Fiaramanidina Bangladeshi ity
"Mpanamory fiaramanidina no asako ary ny sary no fahafinaretako. Miezaka ny hampiseho ny tany niaviako avy eny amin'ny habakabaka aho, mizara ireo endriky ny tontolo iainana mahafinaritra, sy mahatalanjona miaraka amin'ny olon-drehetra fantatro.''
Sary Mahatalanjon'i Japana Nohavaozina Tamin'ny 3D
Nokarohana sy nohavaozain'ny mpampiasa Flickr iray ireo sary nataon'ilay Japoney mpakasary goavana, T. Enami.
Ampaham-piainana Mahatalanjona Ao Nepal Atolotr'ireo Nandresy Tamin'ny Fifaninanana Sary
Avy any amin'ny dihy nentin-drazan'ireo Nepaley ka hatrany amin'ny filalaovana baolina eny ambony tafo taorian'ilay horohorontany nandravarava tamin'ny taona lasa, manome topimaso mahatalanjona momba an'i Nepal ireo saripika.
Moskea, Tempoly, Pagôda, ary Katediraly Fanta-Daza Indrindra Ao Azia Atsimo Atsinanana
Aiza no ahitanao ny Katediraly Katolika lehibe indrindra ao Azia, ny toeram-pivavahana lehibe indrindra eto ambonin'ny tany, ary ny moskea tokana tsy misy "dome"? Any Azia Atsimo Atsinanana irery ihany.
“Taratasim-Pitiavan'i Brezila Ho an'i Iràka” : Fampirantiana Saripika Mandefa Hafatra Fandriampahalemana
Fanaintainana mihena, poezia mitombo, fanajàna mitombo, ny ady mihena : toa sahala amin'ny nofinofy ireny faniriana ireny ao anatin'ny fotoana iray izay anjakan'ny tsy fandeferana sy tsy fanajàna ny hafa. Kanefa asehon'ny fampirantiana saripika, “Taratasim-Pitiavan'i Brezila Ho An'i Iràka” fa azo atao ny manokatra làlana amin'ny fifikirana amin'ireny soatoavina ireny , eny fa na any amin'ny faritra misy fifandonana aza
Niteraka Sary Namboarina Mahatsikaiky Ireo Mpanao Politika Serba Roa Miara-Mitaingina Moto
"Ny hany zavatra tsara amin'i Dačić sy Palma eo ambonin'ny moto dia i Dačić sy Palma eo ambonin'ny moto eny amin'ny habakabaka. Miaraka amin'ny lazera."
Sary Fahagola Hamerina Ny Fahatsiarovana Mahafinaritra An'i Dhaka Renivohitr'i Bangladesh
"Teo amin'io toerana io aho no lehibe ary malahelo ny fahazazako sy mahatsapa ny hatsaran'izany fotoana izany. Izany no fotoana sarobidin'ilay tanàna tiko Dacca fa tsy Dhaka."