· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Janoary, 2008

Bangladesh: Cinema, politika, fahasalamana, saripika ary tantaram-pirenena

  31 Janoary 2008

Lahatsary: Miezaka mamoaka lahatsary mendrika azon’ny mpianakavy Bangladeshi jerena miaraka ny orinasa Bangladeshi mpamokatra izay antsoina amin’ny anaram-bositra hoe Dhallywood. Saingy noho ny hatsaran’ny sary mivoaka avy any Hollywood sy Bollywood, izay tafiditra tsara anaty tsena Bangladeshi sy ny hamoran’ny kapila mangirana VCD/DVD piraty dia tra-pahasahiranana i Dhallywood nandritra ny...

Ghana: Sarin'ny CAN (fiadiana ny amboara ekipam-pirenena Afrikana)

  25 Janoary 2008

David Ajao no manome saripika maromaro nalaina nandritra ny CAN na ny fifaninanan'ny ekipam-pirenena afrikana 2008: “Afaka tendrenao (kilikenao na pihanao) ny eo ambony sary ahitanao sary hafa na tendrenao ny rohy eo ambany hizoranao mankany amin'ny rakitsarin'ny Ghana 2008.”

Kambôdza : Fiainana andavan'andro an-tsary HDR any Phnom Penh

  24 Janoary 2008

Mythical Dude mpiblaogy mipetraka any Phnom Penh no manapariaka tahala-tsary HDR/GGD mampiseho ny fiainana andavan'andro izay nangoniny, ao amin'ny pejiny ao amin'ny vohikala Flickr. [FANAMPIM-PANAZAVANA : ny HDR na GGD (High Dynamic Range photography | Imagerie à Grande Gamme Dynamique) dia fitambarana teknika ampiharina amin'ny sary amin'ny alalan'ny solosaina izay ahafahana manome sanda...

Japàna : Ireo “ampakarina” eran'izao tontolo izao

  17 Janoary 2008

I Edo no manapariaka ao amin'ny blaogy Pink Tentacle sary vitsy izay mitatitra ny fomba fijerin'ny mpakasary Japoney Kimiko Yoshida manokana ireo “ampankarina” eran'izao tontolo izao. Misy rohy mankany amin'ny vohikalan'i Kimiko Yoshida, mpanakanto “makasaritena”, izay ahitana sary 150 mahery.

Georgia: Miarahaba nahatratra ny taona

  02 Janoary 2008

Ny MFR Photoblog no maneho an-tsary ny voalohan'ny taona ao an-drenivohitry Georgia. Nilaza ny mpamaham-bolongana fa maherin'ny 15 000 ny Georgiana nankalaza ny fety teo amin'ny kianjan'ny Fahafahana ao Tbilisi. Onnik Krikorian