Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Janoary, 2012
Jordania: Avia Avia Fanala ô!
Ela ny ela tonga ao Jordania ihany rehefa ela niandrasana ilay vahiny fotsy, rehefa nandalo indroa ny hatsiaka maina dia tonga izy saingy nitsonika vetivety. Mbola tsy niangona akory dia...
Côte d'Ivoire: Manosihosy Ny Zon'ny Mpamorona Ny Gazety
Hafa noho ny teo aloha ny fetin'ny faran'ny taona 2011 tao Côte d'Ivoire. Valo volana taorian'ny fiovam-pitondrana, te-hanamarika ny fiovana tamin'ny alalan'ny ravaka tsy fahita tao amin'ny firenena tamin'ny alalan'ny fanomanana afomanga goavana ny 30 sy ny 31 desambra 2011 ny fitondrana. Maro ny Ivoariana no nivoaka nanararaotra nivoaka nijery ny fampisehoana isan-karazany izay ampian'ny teknolojia, samy naka sary fahatsiarovana ny tsirairay. Nampiasain'ny gazety kosa ny sary nopihan'i Audrey Carlalie
Zeorzia: Fodian'ireo Tiorka Meskhetian
Silamo maherin'ny 100.000 no nailik'i Joseph Stalin tamin'ny 1944 avy ao amin'ny faritra Meskheti ao Zeorzia. Ankehitriny, 60 taona mahery aty aoriana, manomboka miverina tsikelikely ny sasany ao anatin'ny andraikitry ny firenena manolona ny Folankevitr'i Eraopa.
Tontolo Arabo: Taona Iray An-ttsary – Ny Fantin'ireo Mpanoratray
Satria nataontsika veloma mandrakizay ny taona 2011 ary mibanjina indray ny taona 2012, dia nangataka ireo mpanoratray izahay mba hizara aminareo ireo sary izay manamarika iny taona lasa iny eo imason-dru zareo tany amin'ny fireneny isanisany avy. Ity fantina manaraka ity no maneho ny safidin'izy ireo.
Tonizia: 2011 An-tsary Amin'ny Valantserasera
Taona mahatalanjona ny taona 2011 ho an'i Tonizia – taona manan-tantara izay hiraikitra ao an-tsain'ny Toniziana rehetra. Izay nanomboka tamin'ny fipoahana tampoka noho ny fahadisoam-panantenana tao amin'ny faritra Sidi Bouzid...