Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2013

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Febroary, 2013

25 Febroary 2013

Syria: “Lens of a Young Homsi”, Sarin'ny Tanàna Iray Atao Fahirano

Nanjary loharanom-baovao manana ny lanjany mikasika ny tanàna Siriana iray iharan'ny fahirano ny vondronà iray ahitàna tanora mpaka sary avy ao Homs. Fanampin'ny fanaovany izay hahafantaran'izao tontolo izao ny zava-mitranga isanandro ao Homs, mahazo fangatahana ihany koa ry zareo isanandro avy amin'ireo olona nandositra ny tanàna ka te-hahalala raha toa...

21 Febroary 2013

Nahoana no miely be ny sarin'ilay “Miaramilan'ny Fahafatesana”

Nifampizarana sy niparitaka eran'izao tontolo izao ity sary ity hatramin'ny niatombohan'ilay “Bemidina Serval” tao Mali. Miaramila frantsay miaraka amin'ny fehin-tenda mikisary karan-doha – Odieux connard – valam-bahoaka Raha ny marina, dia lasa sariohatra nanamarika ny fiatombohan'ny bemidin'ny miaramila frantsay tao Mali ity sarina miaramila frantsay manao sarondoha miendrika karandoha ity. Fa...

19 Febroary 2013

Manakenda Ny Artista Ny Lalàna Ao Japana Mikasika Ny Fahavetavetana

Nosamborina ilay mpaka sary lamaody antsoina hoe Leslie Kee noho ny famarotana sary mamoafady tamin'ny fampirantiana nataony farany teo tao Tokyo. Fa fanehoana talenta ve ny sanganasany sa fanehoana fahavetavetana? Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika dia mahita ny fisian'ny lalàna izay 'manamavo' ny fanehoana ny talenta ao Japana.

17 Febroary 2013

Instagram An'ny Filoha Tchetchen?

Akon'ny RuNet

Sarotra ny hahamarika ny kaonty Instagram an'i alihan777 amin'ny voalohany. Nahamarika ilay anaram-bositra tamin'ny alalan'ny siokan'ny namana ilay mpanentana malaza ao amin'ny fahitalavitra Rosiana Tina Kandelaki tamin'ny 8 Janoary 2013, saingy tsy nanome famantarana momba izay tompony. http://instagram.com/p/Vr8cVoL5zb/ Hatramin'ny voalohany, anefa , nibaribary fa na nohavaozin'ny filoha Chechen Ramzan Kadyrov, na ny mpampita vaovaony, na...

12 Febroary 2013

Bangladesh: Mankao Shahbagh Avokoa ny Lalana Rehetra

Ao Shahbagh, mandray andraikitra ny tanora ary nampitsahatra ny resaka politika tamin'ny andro fahaefatry ny hetsika. Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no manohy mibodo ny arabe fiolanana midadasika indrindra ao andrenivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka mba hitaky sazy farany izay henjana indrindra ho an'i Abdul Quader Mollah, lehiben'ny antoko Islamista sy ho an'ireo olon-kafa voampanga...

07 Febroary 2013

Chobi Mela VII: TaoSary Mampifandray Ny Mponina Manerana Izao Tontolo Izao

Ao an-drenivohitry Bangladesh ao Dhaka no ankalazaina ny Chobi Mela (Sary Madio) faha-fito, fety iraisam-pirenena momba ny sary. Karakarain'ny Drik Picture Library Ltd. sy ny Pathshala (Ivon-toeran-tsary ao Azia-Atsimo), ity no fetiben'ny sary lehibe indrindra notontosaina tao Azia. Tamin'ny taona 1999 no namoronana ny hetsika ary isaky ny roa taona no ankalazàna izany ao...

Mihevaheva Mitety an'i Singapore

‘Nihevaheva’ (nanao lévitation) nitety an'i Singapore i Jayden Tan sy i Jeff Cheong ary nampianatra ireo mpianatra ny tsiambaratelon'ny fakana sary mihevaheva. Nahasarika ny tao Singapore ny tetikasan-dry zareo ary maro ny olona no nahamarika ny famoronana nataon-dry zareo eo amin'ny sehatry ny fakana saripika.