· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Janoary, 2018

PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany

Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.

Sary Mampiseho Tovolahy Mijery Afomangan'ny Taombaovao. Nahoana No Milaza Ireo Breziliana Sasany Fa Malahelo sy Mahantra Izy?

  19 Janoary 2018

Ny olona mijery ny sary dia efa vonona hilaza fa mifandray amin'ny fahantrana sy olona nilaozana ny sarin'ny olona mainty hoditra, kanefa raha ny tena izy, ankizy mainty hoditra fotsiny eo amoron-dranomasina izy. Fanavakavahana ara-drafitra ity fitsarana an-tendrony ity, izay ny faharatsian'ny fampianarana ny vahoaka Breziliana tenany no niaviany.