· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Aogositra, 2012

Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro

  11 Aogositra 2012

Amin'ity lohataona ity, mafana fo avy ao Bangladesh no mitondra bisikileta izay voizin'olon-droa mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany New York. Mitondra hafatra tsotra nefa mafonja izy ireo ny amin'ny fomba fiainan'ny mponina amin'ny firenena iray izay mety hitarika voka-dratsy lehibe amin'ny fiakaran'ny ranomasina sy ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Filipina: Tondra-drano Tao Metro Manila.

  08 Aogositra 2012

Niteraka tondra-drano ny orambe mivatravatra tao amin’ny faritra maro ao Metro Manila sy tao amin’ny faritany akaikin’I Nosy Luzon, ao Filipina. Metro Manila, tanàn-dehibe  ao an-drenivohitry ny firenena, izay ahitana tanàna sy kaominina 17. Nanapa-kevitra ny goveremanta fa hatsahatra aloha ny fampianarana sy ny asa na ny an’ny fanjakana izany...