· Oktobra, 2017

Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Oktobra, 2017

Shina: Hetsi-panoherana Am-pilaminana

Toa mitohy hatrany ny olan'ny mponina ao amin'ny tanànakely ao Huacao any ambanivohitra distrikan'i Minxing ao Shanghai. Nampiseho ny tatitra avy amin'ny fampitam-baovao tao tanibe roa taona mahery lasa izay fa rehefa niandry nandritra ny taona maro ireo mponina dia tsy mbola nahazo ny onitra tamin'ny fivarotana ny taniny

30 Oktobra 2017

Romania: Mihira Ny Noely

"Fahatsiarovana avy any Romania: Tamin'ny andro farany nijanonako tao [ Onesti ], maro tamin'ireo mpianatra no tonga tao amin'ny" Cancelarie "(efitranon'ny mpiasa) mba hihira ireo hiran'ny noely ho an'ny mpampianatra. Tsy nieritreritra mihitsy aho hoe efa niomana ny hanao izany izy ireo, tena fahatsiarovana mahafinaritra tsy hay hadinoina :) "- avy amin'ny L-plate big cheese

15 Oktobra 2017

Bangladesh: Mankalaza Ny Andron'ny Tenin-dReny

Ny 21 no Ekush ho an'ny Bangla, ary midika faha-21 ny hoe Ekushey. Ao Bangladesh, 'Ekushey' dia mitovy dika amin'ny 'Ekushey Febroary' ihany, andro izay ankalazan'ny Bangla ny Hetsika mikasika ny Fiteny sady fanomezam-boninahitra ho an'ireo namoy ny ainy noho ny anarany tamin'ny faha-21 Febroary 1952.

10 Oktobra 2017