Myanmar: Sary sy rohy famintinana

(Marihina fa tamin'ny 8 May 2007 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nahita sary tsara tarehy vitsivitsy avy amin'ireo bilaogera ao Myanmar aho ka nangoniko izy ireo ho toy ny sary sy rohy itetezana ny lahatsoratra.

Ity sary ity dia avy amin'ny bilaogy fifty viss izay nandefasan'ilay bilaogera Aung Kyaw ny fanangonany ny takelaby sy ny afisy hita manerana ny firenena.

Billboard - 50VissAfisy manodidina an'i Myanmar
Sary avy amin'ny: Fifty Viss

I’ve noticed how pervasive these “desire(s)” are in online and print publications in Burma. From what I’ve heard, not even an Internet chatroom can get away without posting the “objectives”, “desire(s)” and “national causes” of the country. No publication would be complete or legal without this stamp of approval (namely the dictates of the government).

Tsikaritro fa tena hita matetika ireo “faniriana” ireo amin'ny aterineto sy amin'ny afisy any Birmania. Araka ny reko, na dia ny tranonkala fifanakalozan-kevitra ao amin'ny Aterineto aza dia tsy tafavoaka raha tsy mamoaka ny “zava-kendreny”, “ny faniriany” ary ny “tombontsoam-pirenena”. Tsy ara-dalàna sady tsy feno ny famoahana raha tsy misy io fitomboka fankatoavana io (toy ny didy navoakan'ny governemanta).

Nandefa ny sarin'ny tondradrano sy ny fahasimbana vokatr'izany nanerana ny tanàndehiben'i Yangon taorian'ny oram-batravatra andro vitsy lasa ilay bilaogera Barnyar. Nanamarika ihany koa i May11 fa avy foana ny orana nanomboka hatramin'ny 30 Aprily ka hatramin'ny 4 Mey ary nisy mihitsy aza ny vaovao momba ny mety hisian'ny rivodoza hahatratra ilay tanàndehibe.

Yangon Rain - BanyarToerana fiantsonan'ny fiara tondraky ny rano sy ny tranohevan-telefaona iray simba 
Sary tao amin'ny : Barnyarbanyar

Nanoratra tononkalo mifandraika amin'ny orana sy ny malalany any alavi-tany i Mr.Pooh.

Nampitahain'i Kothurein ny orana niainany fahazaza sy ny orana hitany amin'izao fotoana .

A small compound of our house filled with rain up to our knees. So my brother, sister and I turned a two-foot-long wooden tub, which had been intended to store the water, into a boat for us to have a ride around the house. (The only problem was that snails also liked to take a ride in the tub.)

Now, twenty years later, I no longer get excited when it pours day after day. Rather, I get upset about all the mud and rain, especially at rush hour.

Feno rano hatreny an-dohalika ny efitrano kelinay. Noho izany, navadikay sy ny rahalahiko ary ny anabaviko ny koveta hazo antsasa-metatra iray, izay natao hanangonan-drano, ho sambokely ho anay mba handehananay manodidina ny trano. (Ny hany olana dia tian'ny sifotra ihany koa ny nandeha tao anatin'ilay koveta.)

Ankehitriny, roapolo taona aty aoriana, tsy falifaly intsony aho rehefa avy isan'andro ny orana. Fa kosa sorena amin'ny fotaka sy ny orana, indrindra rehefa amin'ny ora fandehanana miasa.

Nanerana izao tontolo izao , nandefa ny sarin'ny diany nankany amin'ny Mozea Britanika i Bluegyi  izay nahitany ny asatanana tranainy avy any Birmania.

Museum - bluegyi
Mozea Britanika
Sary tao amin'ny : Bluegyi

Tsara ihany koa ny mamaky momba ny asan'i Gyittu amin'ny maha-injeniera azy sy ny antony nisafidianany hanao izany.

When I entered the workforce 4 years ago, I had great ambitions of becoming a great engineer. Now, as I struggle in climbing the corporate ladder, I witness how engineers are becoming the “tortoise” of that world. In MNCs, many engineers moved to Marketing, Sales, and Management fields in order to climb higher at the fastest rate.

I joined engineering out of interest and passion and those factors are what kept me motivated in this endless rounds of projects. Solving the mystery behind each circuit, each problem is what kept me going in this job.

Rehefa niditra ho mpiasa aho 4 taona lasa izay dia nanana tanjona goavana ho lasa injeniera lehibe. Ankehitriny, rehefa nitolona am-piakarana ho mpiantsoroka orinasa aho, dia hitako fa lasa “sokatra” ho an'ity izao tontolo izao ity ny injeniera. Tao amin'ny MNCs, maro ireo injeniera no nifindra tany amin'ny sehatry ny haivarotra, ny varotra ary ny fitantanana mba hiakatra ambony kokoa amin'ny haingana indrindra.

Nisafidy ny ho injeniera aho satria liana sy naniry izany ary ireo antony ireo no nanosika ahy handray anjara tamin'ity tetikasa tsy misy fiafarany ity. Ny famahana ny zava-miafina rehetra amin'ny lalan-kaleha tsirairay sy ny olana tsirairay no mihazona ahy hanohy  ity asa ity.

Ary faranako miaraka amin'ireo sary avy amin'ny May11 mikasika ny Fetiben'ny Shwe Dagon Pagoda Kason ny herinandro .

Shwedagon1 - may11
Shwe Dagon Pagoda amin'ny alina

Shwedagon2 - may11
Fetibe Kason tao amin'ny Shwe Dagon Pagoda
Sary avy amin'ny: emotionalcorner

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.