Tantara mikasika ny Saripika tamin'ny Febroary, 2015
Vehivavy Iray Mifanamby Amin'ny Fomba Fijery An'i Somalia Ao Amin'ny Instagram
Te hanitsy ny fomba fijery an'i Somalia i Ugaaso Boocow. Tsy nidina teny an-dalambe na tamin'ny onjam-peo izy fa naleony niditra tao amin'ny Instagram ary vonona ny halaza.
Tsidiho Amin'ny Alalan'ny Solosainao Noho ny Fisian'ny Google Street View i Bangladesh
Nanomboka niasa tamin'ny 5 Febroary ny Google Street View ao Bangladesh. Namoaka ny fifaliany tamin'ny fahitana ny lungi-ny, fitafy mitovy amin'ny sarong, nipoitra tamin'ny sary (nihantona tao an-davarangana) ny mpisera Facebook iray.
‘Sakafo iainako Ny Photoblogging’, Hoy i Edward Echwalu, ilay Ogande Mpakasary
"Indraindray mahakivy antsika ny zavatra tsy dia misy dikany. Aza ampirimina ny fitaovanao; misy olona any miandry ny avy any an'eritreritrao. Tohizo hatrany."
Sazian'ny Governemanta Makedoniana Ny Fakàna Sary Fihetsiketsehana Amin'ny Drôna
Nanampy tamin'ny fampisehoana ny haben'ny hetsika goavan'ny mpianatra vao haingana ny sary sy lahatsary nalaina tamin'ny drôna, fihetsiketsehana lazaina ho goavana indrindra tao Makedonia hatramin'ny fahaleovantena.