Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Desambra, 2014
Sekoly Fitaratra Ao Haiti Mampianatra Ireo Ankizy Amin'ny Teny Kiriolona Fa Tsy Amin'ny Teny Frantsay
Hatramin'izay dia ny teny frantsay no teny enti-mampianatra tao Haiti, eny fa na dia vitsy aza ny mpianatra teny niteny azy ity. Misy ankehitriny ny hetsi-pirenena manosika ho amin'ny fanabeazana ho amin'ny tenin'ny mponina hatry ny nahaterahana amin'ny teny kiriolona.
Ny Tetikasa Heimkino (“home cinéma”) : Toerana Fandraisana Mpitsoa-ponenana Sady Fianarana Teny Alemàna
Ny fampiasana ireo lahatsary kely nalaina tamin'ny finday nentina nampianarana ny teny Alemàna tany amin'ireo toby fandraisana mpitsoa-ponenana no nitarika tamin'ny fananganana ny tetikasa Heimkino. Ny fandraisana araka ny tokony ho izy ireny mpitsoa-ponenana ireny no ivon'io tetikasa io.
Tantaran'ny Tsonamia Nampivarahontsana Tao Tohoku, Voadika Ho Teny Anglisy
Niaraka tamin'ny fanohanan'ny Anjerimanontolon'i Harvard, namadika ho teny Anglisy ireo fitantaràna tsy manam-paharoa mikasika ireo "loza voajanahary telo" tamin'ny 11 Martsa 2011 ny Kahoku Shimpo, gazety iray goavana ao Tohoku.
Handany Samirery Ny Alin'ny Krismasy? Manana Ny Ambarany Ny Japoney
Tao am-piasàna, sondriana ery ireto tanora mpiara-miasa nifampitafa mikasika ny lamina hiatrehana ny kuribotchi. "Fa inona marina aloha ilay atao hoe kuribotchi?" Hoy aho sady nikakakaka no nanontany. Fahanginana hafahaha no setriny