Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Novambra, 2018
Sahara Andrefana: Fampisehoana Ny Tontolombolongana Sahraouie
Ny 5 Jolay 2008, nanomboka nandrakotra ny tontolombolongana tao Sahara ny Global Voices niaraka tamin'ny lahatsoratra iray momba ny fahitalavitra vaovao alefa amin'ny zanabolana [teny anglisy] ao amin'ny faritra. Io lahatsoratra io, an'i Yazan Badran, dia mifantoka amin'ny ampahany miteny arabo ao amin'ny tontolombolongan'i Sahara. Tsy ela dia narahina iray hafa izy io, an'i Renata Avila, mikasika ny poezia sy ny teny espaniola [teny frantsay], mampiseho an'ireo Sahraouis izay manao blaogy amin'ny teny espaniola. Samy nampisy fanehoankevitra marobe avokoa izy roa ireo, na tsara na ratsy.
Koety: Avy Any Amin'ny Dokambarotranà Tantara Ka hatrany amin'ny Tantaran'ny Blaogera
Maro indray ireo zavatra noresahan'ny blaogera tamin'ity indray mitoraka ity. Anisan'izany ny resaka fahaverezan'ny hery fahaiza-moronana amin'ny famokarana dokambarotra ao Koety, na koa ny resaka lisansa amin'ny zon'ny mpamorona.