Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Marsa, 2022
Mitondra taratry ny fanantenana ho an'ny vondrom-piarahamonina indizeny ny boky fitsipi-pitenenan'ny teny Mro voalohany
Tamin'ity taona ity, zava-nisongadina tamin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny ao Bangladesh ny famoahana ny boky fitsipi-pitenenana voalohany nosoratana tamin'ny teny Mro, fiteny indizeny iray tandindonin-doza.
Ady mari-panondroana: Nahoana i Kremlin no milaza ho miaro ireo ‘mpiteny Rosiana’ ao Okraina?
Nanandratra ny tenany ho mpiaro ny mpiteny Rosiana manerana ny habakabaka taorian'ny Sovietika i Moskoa kanefa maro no tsy miombon-kevitra amin'i Rosia. Ankehitriny izy mampiasa ireo vondrom-piarahamonina samihafa hanafihana an'i Okraina.
Inona moa ny dikan'ny “Tontolo Rosiana” ambaran'i Potinina momba an'i Okraina?
Ahitana izao fomba fiteny manandanja izao matetika ny fanambaran'i Vladimir Potinina sy ireo lehibe faratampony manampy azy momba ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina: “Русский Мир” (Russkiy mir). Ny dika ara-bakintenin'ity fehezanteny ity dia hoe “tontolo rosiana”