· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Avrily, 2018

Lingua: Tetikasa Fandikan-teny Antserasera Manerantany

  15 Avrily 2018

Tao anatin'ny roa taona, nitombo ny vondrom-piarahamonin'ny fandikan-teny ato amin'ny Global Voices satria nampiditra fiteny samihafa 15 (7 fanampiny ho avy!) ary mpandika teny an-tsitrapo maherin'ny 75. Raha ny marina, talanjona amin'ny fitomboanay izahay.

Teny 2.500 Manerantany Tandindonin-doza

  04 Avrily 2018

Navoakan'ny Fikambana Ara-panabeazana, ara-tsiantifika sy Ara-kolontsaina ao amin'ny Firenena Mikambana (UNESCO) ny Sarintany ifarimbonana misy ireo fiteny tandindonin-doza, izay mampiseho ireo tenin-drazana 2.500 amin'ireo 6000 atahorana. Mangataka amin'ny mpiserasera  ny fikambanana iraisam-pirenena mba handray anjara amin'ny fanehoan-kevitra amin'ny tetikasa izay mampanahy ireo bilaogera maro ny fiarovana ny kolontsaina.