Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Aogositra, 2016
Vao Teraka Ny Wikipedia Tulu, Fantaro ilay Faha-23 Amin'ireo Fiteny Avy Ao Azia Atsimo!
Telo ka hatramin'ny dimy tapitrisa no miteny ny fiteny Tulu any amin'ireo fanjakana Indiana ao Karnataka sy Kerala, ary misy maro ireo zanaka am-pielezana monina any Etazonia sy ireo firenen'ny Golfa
Ha'e Kuera Ñande Kuera: Reggae Sy Ny Hip-Hop Mampiely ny Kolontsaina Guarani Amin'ny Alàlan'ny Fifampiresahana Amin'izao Tontolo Izao
Fantaro ilay tarika mpanankato natsangan'ireo tanora Mbyan avy ao Misiones ao Arzantina izay namorona ny tontolony amin'ny teny Guarani ary mampiasa ny fampitam-baovaon'ny olompirenena hilazany ny momba azy ireo.
Fihantsiana Ireo Mpanao Sivana Tranonkala : ‘Manompo’ Sahobakaka Ny Shinoa Ho Fanamarihana Ny Faha-90-Taona Nahaterahan'ny Mpitondra Fanjakana Teo Aloha
Raha voateritery ny vanim-potoanan'ny sahobakaka , dia hita fa tsara kokoa noho ny vanim-potoanan'i Bun [midika hoe an'i Xi ] izany. Mitovy amin'ny gadra ao amin'ny maizina, tsy mahazo fakan-drivotra fohy ivelan'ny trano ireo vahoaka Shinoa nanompo ny sahobakaka raha amin'izay fomba fijery izay
Nanomboka Tao India Ny Fihaonamben'ny Wikimedia Azia Atsimo
Nanomboka tamin'ny 5 Aogositra tao Landran, fanjakana Indiana ao Punjab ny Fihaonamben'ny Wiki India 2016, fihaonana goavana indrindra iarahan'ireo mpandray anjara ao amin'ny Wikipedia (Rakipahalalana antserasera ahitana fiteny maro) sy ny tetikasa iray tampò aminy antsoina hoe tetikasa Wikimedia.
Ianaro Ireo Fepetran'ny Kitra Aostraliana, Anarana Biby Ary Hafa Koa Amin'ny Teny Kaurna
Ahoana no fiteninao ny koala amin'ny fiteny Kaurna ao Aostralia? Mampianatra izany sy ireo hafa maro koa ny tetikasa an-dahatsary Karuna Warra Pintyanthi.