Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Marsa, 2019
DigiGlot Newsletter: Mitondra vaovao tsara sy vaovao ratsy ho an'ny fiteny an-dalampahaverezana sy ny vitsy an'isa ny zava-baovao Fahaizana Artifisialy

Ny DigiGlot Newsletter dia famoahana iombonana mivoaka indroa isan-kerinandro ary mitatitra ny fomba ampidirana ireo fiarahamonin'ny fiteny vitsy an'isa sy an-dalampahaverezana ao anatin'ny teknolojia mba hanova ny tontolon'ny aterineto.
Fanolorana an'i Misael Hernández Mendoza, mitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 4-11 marsa 2019

Andao isika hamantatra bebe kokoa momba an'i Misael Hernández Mendoza, mampiatrano mitantana ny kaonty Twitter @ActLenguas mandritra ny herinandron'ny 4-11 marsa 2019 ao amin'ny fanentanana amin'ny fampitam-baovaom-piarahamonina vaovao mifantoka amin'ny fimaroam-piteny antserasera.
Sarimiaina fohy Dijaawa Wotunnöi manampy amin'ny famelomana indray ny fiteny Yekuana

Yekuanas maro no nandray anjara tamin'ny tetikasa amin'ny maha-mpandika teny sy mpikaroka azy ireo, sady nandray anjara ihany koa tamin'ny fanomezana feo ireo olona nampiainina ao anatin'ny filma.
Ho fitiavana ny teny: boky tantara foronina voalohany natonta amin'ny teny Mro
Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-drazana ny 21 Febroary lasa teo ary ho fankalazana izany, namoaka sy nizara tantara foronony voalohany amin'ny endrin-tsotra teny Mro ho an'ireo foko monina any amin'ny faritra sisintany eo anelanelan'i Myanmar, Bangladesh sy India ny fikambanana iray mpanao asa soa.