Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Septambra, 2011
Libanona: Fandrisihana Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra Amin'ny Teny
Vondrom-piarahamonin'ireo tanora mavitrika ao Beirut, The Migrant Workers Task Force (Vondron'Asa Momba Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra) no miezaka manohana ireo mpiasa an-trano ao Libanona izay mazàna tsy rariny mihitsy ny fepetra iainany sy iasàn'izy ireny. Mitatitra i Thalia Rahme.
Ejipta: Ireo Fifandraisana tsy an-kiteny eny an-dàlana
Isika amin'ny maha-olombelona dia manana ny fahafahana mifandray amin'ny alalan'ny teny tononina. Na izany aza, ao anatin'ny tanàna be olona sy maresaka toa an'i Cairo, mila mampiasa fomba fiteny hafa ankoatry ny teny tononina isika mba hifandraisana. Tarek Amr dia mandinika akaiky ny fifandraisana amin'ny fihetsika ampiasaina any amin'ny faritra manoaka ary ny fifandraisana amin'ny "klaxon".