Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Aogositra, 2010
Maraoka: Ny teny Anglisy ho Teny fampiasa faharoa
Milaza i Said Bellari, mpanoratra ho an'ny Moroccoboard.com, mikasika ny fanalàna tsikelikely ny fiankinan-doha amin'ny teny Frantsay, ary ny fampidirana ny teny Anglisy ho teny ofisialy faharoa ampiasaina any Maraoka. Ao amin'ny boky nosoratany, manolotra ny fomba fijery tena tsara voatra fantatra amin'ny hoe “fanalàna fahaizana mamaky teny sy manoratra” izy. Tatitra avy amin'i Nabila Taj.
Filipina: Fandikan-teny “Jejemon” sy ny Hetsika Global Voices
Voalohany indrindra, inona moa Jejemon? Izany dia fanambàrana manokana ny fomba fiteny amin'ny aterineto sy ny finday izay malaza loatra ampiasaina eo anivon'ireo tanora Filipiana ankehitriny. Ireo tompon'andraikitry ny Fanabeazana...
Maneran-tany: Mikendry ny hampivelatra ny aterineto web ny Mozilla Drumbeat
Ny Mozilla Foundation, mpamorona ny fitetiala Firefox, dia namoaka ny Drumbeat, tetik'asa mikendry ny hanangonana olona avy amin'ireo sehatra maro samihafa indrindra sy avy amin'ny faritra maro maneran-tany, handinika ireo tetik'asa hanandratana ny fisokafan'ny tontolon'ny aterineto.