Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jolay, 2014

Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Jolay, 2014

17 Jolay 2014

Mpanolotra Vaovao Malaza Ao Amin'ny CCTV Rui Chenggang Notazonina Ao Anatin'ny Fampivelarana Ny Ady Amin'ny Kolikoly

Nalaina tao amin'ny trano fiasany tamin'ny 11 Jolay i Rui Chenggang, 36 taona, mpanolotra vaovao ao amin'ny fahitalavitra ara-pitantanam-bola CCTV 2 alohan'ny hanombohan'ny fandaharany, nalaina niaraka taminy koa ny tale lefitra misahana ny vaovao ara-pitantanam-bola ao amin'ny orinasa sady mpanatontosa fandaharana, araka ny filazan'ny fampahalalam-baovaom-panjakana.

12 Jolay 2014

Lisitr'ireo Vakiteny Fahavaratra Avy Amin'ireo Mpikambana Global Voices Teny Frantsay

Mila vakiteny amin'izao fahavaratra izao? Indreto lisitry ny boky avy amin'ireo mpanoratra mpiteny frantsay ny ankamaroany izay atolotr'ireo mpikambana ato amin'ny GV.

05 Jolay 2014

Manampy Ny Olona Hianatra — Na Koa Hiaro—Ny Teny Manerantany Ny Teknolojia

Rising Voices

Misy ireo mpisaina lasa aloha miankina amin'ny herin'ny teknolojia mba hanavotra ny teny tsy hanjavona, na hamelona indray, tranga tena vitsy dia vitsy, teny iray efa nanjavona.