· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Fiteny tamin'ny Jolay, 2012

Maneran-tany: Hazakazaka Handikàna teny ny Fahalalahan'ny Aterineto

  29 Jolay 2012

Hanomboka ny Lalao Olaimpika atsy Londona, nefa mientanentana amina hazakazaka hafa ihany koa ireo mpandika tenin'ny Global Voices Lingua: ny Internet Freedom Translathon,hazakazaka handikàna teny ny Fanambaràna ny Fahalalahan'ny Aterineto amin'ny tenim-pirenena sy tenim-paritra maro araka izay vita ao anatin'ny 24 ora. Ny tetikasa Global Voices Lingua dia ny fandikanteny fitandroana ny tenim-pirenena: tsy voatery ho atletan'ny Lalao Olaimpika ianao na mpandika teny be traikefa vao afaka miaraka aminay!

Pôrto Rikô: Namerina Indray Ny Adihevitra Mikasika Ny Fampiasana Fiteny Roa Any An-tsekoly

  22 Jolay 2012

Niteraka fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpanohana ary hatramin'ny mpanakiana ny fanambarana nataon'ny governemanta tao Pôrtô Rikô izay milaza fa manomboka amin'ny fidiran'ny taom-pianarana vaovao amin'ity volana Aogositra ho avy ity, ny fiteny ofisialy ampianarana ny kilasy rehetra any amin'ny sekolim-panjakana manerana ny firenena dia ovaina miandàlana ho amin'ny fiteny anglisy raha tamin'ny fiteny Espaniola izany teo aloha. Io fepetra noraisin'i Governora Luis Fortuño, dia niteraka adihevitra lehibe sy fanakianana avy amin'ny mpanohana ny governemanta, izay namerina indray ny adihevitra mikasika ny fiteny sy kolontsaina izay efa nisy fahiny tao Pôrtô Rikô. Mbola mitohy hatrany ny adihevitra any anatin'ny tambajotra sosialy sy bilaogy.

Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010

  13 Jolay 2012

Naka ny Facebook sy Twitter ho sehatra hanehoany ny fahatsiarovana ny tra-doza tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny 2010 tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Kampala ry zareo Ogande. Nitranga ilay fanafihana raha iny teo am-pijerena ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany nihaonan'i Pays-Bas sy Espaina tao Afrika Atsimo iny indrindra ireo mpankafy baolina fandàka.