Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Marsa, 2016
Ao Rosia Misy Fonja Mamokatra Lahatsary Malaza Be Miparitaka Amin'ny YouTube

Raha vao misaina ireo fonja Rosiana ianao, tsy hahazo sary an-tsaina ny fanaovana hetsika tselatra amin'ny mozika na famokarana sarimihetsika tsy matianina, nefa izany no natolotry ny fonjam-panjakana laharana faha-7 tao Omsk
Nahare Ve? Niverina Ny Global Voices Podcast
Taorian'ny telo taona niatoana dia niverina ihany tamin'ny farany ny Global Voices Podcast. Amin'ity andiany ity izahay hitondra anareo ho any Meksika, Shina, Tajikistan, Makedonia ary Rosia.
Nesorin'ny Marvel Ao Amin'ny ‘Captain America’ Sombin-Tsarimihetsika Vaovao Amin'ny Teny Rosiana Ny Mariky Ny Saina Rosiana

Tao anatin'ny ora vitsy monja, dia voamariky ny mpisera aterineto ny tsy ahitana amin'ny tanàn'ilay miaramila amin'ny voalohany indrindra amin'ny sombin-dahatsary-fampahafantarana ilay marika famantarana rosiana hita ao amin'ny voatra Ôrizinaly.
Tsy Handefa Mivantana Ny Fizaran-Dokan'ny Filma Avy Ao Hong Kong i Shina Noho Ilay Sarimihetsika Mangidy Fijery Mitondra Ny Lohateny Hoe ‘Folo Taona’
" Inona no tena mampatahotra amin'ilay filma? Nandoko eritreritra sy fomba fijery isankarazany ilay filma; mety ho teboka fiaingana hifandraisana sy hifankahazoana io.."
Mahazo Olona Betsaka Ny Seho Iray Ataon'ireo Vazimba Teratany Ao Aostralia
Fahombiazana tsy araka izay nandrasana ao Aostralia ny seho amin'ny fahitalavitra "Black Comedy". Lazain'ilay mpiara-manoratra azy io, Nakkiah Lui, hoe ny tsiambaratelon'ny fahombiazany dia ny fanasàny ireo Aostraliana fotsy mba hiara-hitokelaka.
Nandrombaka Ny Loka Akademia Indray Ireo Meksikana Mpamokatra Sarimihetsika Lubezki sy Iñárritu
"Tsy kisendrasendra ny an'i Cuaron, Lubezki & Iñarritu fa porofon'ny herin'ny kolontsaina Meksikana mahay mamorona, miasa mafy ara-pitondran-tena & ny fanararaotra avy amin'ny fanatontoloana."