Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Marsa, 2013
Lahatsary: Mampiroborobo Ny Fitomboan'Ireo Horonantsary Fanadihadiana Ny Krizy Ao Gresy
Ny Fetibe Thessaloniki faha-15 ho an'ny Fanadihadiana - tanterahina ny 15 ka hatramin'ny 24 Martsa 2013 - dia ahitàna horonantsary dimy miresaka momba ny krizy Grika [el], tahaka ny tamin'ny herintaona lasa [el]. Raha mbola manohy miasa eo ambanin'ny trosa miavosa sy ny olan'ny fitsitsiana mafy amin'ny famoaham-bola ny Fetibe sy i Gresy iray manontolo, dia samy mihamifantoka amin'ny asan'izy ireo amin'ny fanehoana ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiaraha-monina avokoa ny mpamokatra horonantsary foronina sy fanadihadiana.
Lahatsary Ahitàna Mpianatra Misedra Ny Tsenan'asa Tsy Misy Indrafo Ao Japana, Mihodina Be Aty Anaty Aterineto
Lasa mihodinkodina be aty anaty aterineto ny lahatsary fanentanana fohy mampihetsi-po "Recruitment Rhapsody", izay fitaratry ny dingana henjana sy feno sakana ho amin'ny fihazakazahana mitady asa izay tsy maintsy iaretan'ireo Japoney mpianatra, ary efa in-350.000 no nisy nijery
Fandrarana ny Vishwaroopam : Fanitsakitsahana ny Fahalalaham-Pitenenana?
Vishwaroopam, sarimihetsika andaniana volabe ao Bollywood notantanina sy niaraha-tontosaina tamin'i Kamal Haasan, no nameno ny lohateny lehibe tamin'ireo gazety na dia talohan'ny nivoahany aza – saingy amin'ny endrika ratsy rehetra....