Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Janoary, 2018
Kôlômbia: Sarotra Ny Manavaka Ny Olona Tsara Fanahy Sy Ny Ratsy Fanahy
Amin'ny alàlan'ny lahatsarin'ny olon-tsotra , mizara ny fomba fijeriny manokana momba ny heloka bevava, ny herisetra ary ny fifandonana mitam-piadiana ireo fikambanana Kolombiana samihafa, izay sarotra tokoa ny mamantatra ireo olona tsara fanahy amin'ny ratsy fanahy ao anatin'izany.
PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany
Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.
Shina, Horonantsary Miresaka Fako Plastika Maneho Ny Olana Ara-Tontolo Iainana
Tohina sy tezitra ny vahoaka shinoa noho ny fampielezana lahatsary fanadihadiana iray miresaka ny fahapotehan'ny tontolo iainana vokatryny indostirian'ny plastika ao Shina.
Zimbaboe: Nianatra Ny Tsikera Mahasoa Tamin'ny Alalan'ny Fandaharana Tao Amin'ny Fahitalavitra
Tamin'ny alalan'ity dingana ity no nanoratan'ny ankizy, nanatontosany, nakany sary ary namoahany horonantsary fohy mampiseho fa mety hamono ny fifosana sy ny tsikera ratsy atao.
Nandrara Ny Lahatsary Fanadihadiana Momba Ny Tanora Mpikatroka Palestiniana Noho Ny ‘Fitantarana Mitongilana’ Ireo Manampahefana Ao Singapaoro
"...ary efa nieritreritra ve ianao fa natao ity fanadihadiana ity... mba hanomezana fandanjalanjana , fanitsiana ny karazana fampielezan-kevitra izay vokarin'ny fahitalavitra Israeliana sy ny fampitam-baovao manohana ny Amerikana ..."
Espaina: Ny Fampianarana Sarimihetsika Tsy Misy Fakantsary Ho An'ny Ankizy
Ampianarina mamokatra horonantsary tsy misy fampiasana fakantsary ny ankizy ao Valladolid, Espaina. Ireto ny sasany tamin'ireo horonantsary mampiseho ny fomba sy ny famokarana farany ireo atrikasa ireo.
Maraoka: Soloin'ny Casa Negra Tena Any Amin'ny Oscars
Voafidy hisolo tena an'i Maraoka any amin'ny fifaninanana lokan'ny Academy (Oscar) 2010 ilay sarimihetsika maraokana Casa Negra. Ato amin'ity lahatsoratra ity no ahitàna ny fanehoankevitr'ireo mpitoraka bilaogy momba io sarimihetsika io.
Metropolis TV Sy Ny Hivos: Lahatsary Ho An'ny Olona Mahaleotena
Tetikasa Hivos sy VPRO TV any Holandy ny Metropolis TV, izay mampiray ireo mpanatontosa horonantsary sy ireo mpanao gazetin-dahatsary manerantany mba handrakitra an-tsary sy hampita ny lafiny samihafa amin'ny fiainana sy ny kolontsaina any an-tanindrazany.