Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Marsa, 2012
Nikaragoa: Horonantsary Momba Ny Vokatry Ny Lahatsarim-betaveta An-tsokosoko Mitady Fanohanana Ara-bola
Andianà mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika efa nahazo loka no tonga niaraka tany ambanivohitr'i Nikaragoa mba hamokatra horonantsary momba ny fiantraikan'ny fanodinana an-tsokosoko lahatsarim-betaveta ataon'ireo tanora izay lasa hitan'ny sarambabem-bahoaka aty aoriana noho ny tsy fitandremana. Mitady tohana ara-bola fanampiny ry zareo mba hamenoana ny saran'ny fipetrahany ao Matagalpa, Nikaragoa, ary ny vola rehetra voaangona dia holaniana ao an-toerana ihany
India: Tovovavy Mianatra Mikasika Ny Lahatsary Firotsahana An-Tsehatra
Vondrom-behivavy iray avy ao Hyderabad, faritra mahantra any India, no mianatra ny fomba famokarana lahatsary mba hanovàna ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary ao anatin'ity lahatsary manaraka ity ilay vondron-tovovavy dia manazava izay nianaran-dry zareo sy ny fomba hanampian-dry zareo ny vondrom-piarahamoniny sy ny tenany amin'ny alàlan'ny zava-bitan-dry zareo.
Arzantina: Lahatsary Fanadihadiana Momba Ireo Vazimba Teratany ao Buenos Aires
Mampiseho antsika ny tantaran'ireo taranaka teratany 4 anaty fiarahamonina mipetraka ao an-tanànan'i Buenos Aires ny lahatsary fanadihadiana, ary mampiseho ny fomba nitoloman'izy ireo amin'ny fitakiana ny maha-olom-pirenena azy, sy ny...
Lahatsary: Mpilalao Surf, Mpanjono ary Taratra Mampididoza Taorian'ny Horohorontany Tao Japana
Nanatontosa lahatsary fanadihadiana momba ny fiainan'ny olona miady amin'ny taratra radioaktifa taorian'ny horohorontany tao Japana ilay mpanao gazety Lisa Katayama sy ilay mpanatontosa sarimihetsika Jason Wishnow. Tao amin'ny lahatsary Radioaktifa (akora...
Meksika: Lahatsarin'ny Horohorontany 7,8 Tsapa Tany Meksika
Ny 20 Marsa 2012, tratran'ny horohorontany ny morontsirak'i Acapulco any Meksika, izay notaterina fa teo anelanelan'ny 7,6 sy 7,8 amin'ny maridrefin'i Richter. Hatramin'izao dia tsy mbola nahenoana fa nisy ny aina nafoy. Indreto manaraka ireto ny lahatsary samihafa ahitana izay tsapan'ny any faritra samihafa ao amin'ny firenena nandritra ny hovitrovitra. Amin'ny teny espaniola avokoa ny feo.
Lahatsary: Zarao Ny Fanambinao Ka Mahazoa iPad Amin'ny Fifaninanana Future Challenges
The Bertelsmann Foundation's FutureChallenges initiative wants to hear about the challenges faced by people all around the world. By making a video and uploading it to their Facebook page, you could win a new iPad2.
Lahatsary: Fifaninanana Plural + 2012 Ho An'ny Tanora
Mpandresy telo eo amin'ny 9 ka hatramin'ny 25 taona eo no hahazo fitsidihana ny tanànan'i New York mba hampahafantatra ny sanganasany momba ny Fifindra-monina, Fampidirana eo anivon'ny fiarahamonina ary ny...
Puerto Rico: Fanentanana Ety Anaty Aterinto Ho Fanatsaharana Ny Césarienne tsy misy ilàna azy
"Césarienne tsy misy ilàna azy" no anarana nomena ilay fanentanana natomboka tamin'ny herinandro voalohany amin'ity volana Martsa ity tao Puerto Rico, hikendrena indrindra ny mba hampihenana ny taha ambony loatran'ny fiterahana ampiasnana ny fandidina "césarienne" ao amin'ity firenena ity : maro amin'izy ireny no zavatra efa nomanina, atao hoe "C-sections" izay tsy manara-penitra ara-pahasalamana akory.
MENA: Sarimihetsika Salafista Sahala Amin'Inona no Hojerenao?
“Ny zavakanto rehetra dia vokatry ny fotoana namoronana azy, ary mitaratra io fotoana io raha tiany ilay izy na tsia, eny fa na dia miezaka ny hitsoaka izany aza izy...
Pakistana : “Oscar” Iray Ao Pakistana
Tsy ela akory izay, Sharmeen Obaid Chinoy, mpanao gazety iray mizaka zom-pirenena Kanadiana sy Pakistane sady mpamokatra horonantsary fanadihadiana no nahazo ny loka "Oscar" momba ny horonantsary (fohy) fanadihadiana tsara indrindra.. Ny horonantsariny fanadihadiany mitondra ny lohateny hoe Saving Faces (na Manavotra Ny Tava), dia mampiseho ny vokatry ny herisetra amin'ny asidra mahazo ireo vehivavy ao Pakistana.