Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Jolay, 2017
Panama: Mahafaty Olona Kokoa Noho Ny Ady
Tantara telo ao Panama no hoentin'ilay bilaogera ho antsika.
Bolivia: Mpanaramaso ny Fahitalavitra Boliviana
Marobe ireo manana diplaoma momba ny asa fanaovan-gazety izay miady mafy mba hahita asa ao amin'ny haino aman-jery, indrindra amin'ny fahitalavitra. Fotoana izao hialàna amin'ny tsy fahampian'ny olona ary mampiditra olona vaovao manana hevitra marobe sy fiofanana tsara.
Fifaninanana Youtube Ho An'ny Te-ho Mpanao Gazety
Araka ny efa voalaza tamin'ny volana Aogositra, manomboka ny Project : Report [Tetikasa : Tatitra] ao amin'ny YouTube sy ny Foibe Pulitzer , izay fifaninanana ho an'ny te-ho mpanao gazety, ary efa vonona amin'ny toerany avokoa ny fitsipika sy ny torolalana rehetra.
India: Famandrihan-toerana, Lalàna, Bollywood, Voanjo
Hatramin'izao, amin'ity volana ity, ny lohahevitra lehibe amin'ny fifanakalozan-kevitra virtoaly ao India dia ny amboara manerantany ho an'ny lalao cricket ao Antilles. Satria voahilika mazava amin'ny amboara manerantany i India ankehitriny, nitodika tamin'ny olana hafa ny sain'ireo bilaogera.
Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena: Fiaraha-miasa Miampita Sisintany
Ny Vlog International (Bilaogin-dahatsary Iraisampirenena) dia tetikasa mampivondrona ireo bilaogeran-dahatsary miteny Espaniola : mandefa ny heviny ny olona ary rehefa voafidy ny iray amin'izany dia mandrakitra ny sombindahatsariny ny tsirairay
Ejypta: Fetiben'ny Filma Momba ny Mpitsoa-ponenana Ao Kairo
Nanasa ahy tao amin'ny bilaogin'ny Fetiben'ny Filma momba ny Mpitsoa-ponenana Kairo ny wholehearteldy Sudaniya, ka nahita vaovao lehibe momba ireo mpitsoa-ponenana ao Ejypta tao anatin'izany bilaogy izany aho.
Arzantina: Mi* Sehatra Ho An'ny Olom-pirenena Mpanao Gazety Miteny Espaniola Vao Misondrotra
Nitsimoka tao Arzantina ny tranonkala Mi * fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena , fikasana ho lasa sehatra ho an'ny olom-pirenena mpanao gazety miteny espaniola vao misondrotra mba hamoahany ny asany sy handraisany fanehoan-kevitra, hiresahany foto-kevitra, hahazoany fiofanana sy hizarany votoaty.
Lahatsary: Tanora Manerana Izao Tontolo Izao Maneho Hevitra Ao Anatin'ny 60 Segondra
Manome fahafahana ho an'ny tanora 12 ka hatramin'ny 20 taona manerana izao tontolo izao haneho hevitra sy hianatra mikasika ny lahatsary mba hifaneraserana amin'ny alàlan'ny fandravana ny sakana toy ny sisintany, ny fiteny sy ny halavirana miaraka amin'ny lahatsary maharitra 60 segondra ny tetikasa OneMinutesJr .
Playing for Change: Fandriampahalemana Amin'ny Alalan'ny Mozika
Misarika ny sainay ny tetikasa fiaraha-miasan'ny mozika manerantany amin'ny alàlan'ny antsoina hoe Playing for Change: Peace through Music (Milalao hisian'ny Fanovana: Fitoniana amin'ny alalan'ny Mozika) ny MeetJohnSong.