Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Janoary, 2013
“Ny fanjaitra” Tantara Iray Hafa Mikasika Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Nanova Taovam-pananahana Any Porto Rikò
Matetika amin'ny alina no mivenjivenjy manao ny asany eny amin'ny sisin-dalan'ny tanan-dehiben'i San Juan, ireo mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo 'trans' (olona nanova taovam-pananahana) ao amin'ny faritr'i Santurce avy any Porto Riko.“Ny fanjaitra”, fanadihadiana iray vaovao tarihin'ilay mpamokatra horonantsary iray avy eo an-toerana antsoina hoe Carmen Oquendo-Villar, izay tsy miompana loatra amin'ny zava-mitranga eny an-dalana; fa mifantoka kosa amin'ny endrika ambadiky ny sehatra dia ny hatsaran'ny asa hita eny an-dalana izay ametrahan'ireo mpiasan'ny sisin-dalana fitokisana.
2012: Taonan'ny Fikomiana sy ny Fivoaran'ny Fiaraha-monina Any Amin'ny Firenena Mpiteny Frantsay – Fizarana Faharoa
Hotohizantsika asiana fizarana faharoa ny Tamberin'ny 2012 ho an'ny firenena mpiteny ampahany na manontolo ny teny frantsay. Raha nifototra tamin'ny fikomiana mitam-piadiana sy ny tetikasam-piaraha-monina mifandraika amin'ny krizy ara-toekarena ny...
Nanaitra An'i Shina Ny Fanalàna Ny Sivana Tamin'ny “V for Vendetta”
V for Vendetta, sarimihetsika iray mampitaintaina, izay efa voaràra hatrany amboalohany tao Shina, novokarina tamin'ny 2005 momba ny fiarahamonina nofinofy iray amin'ny hoavy, no nalefa tao amin'ny China Central Television Station (CCTV) fantsona 6 ny 14 Desambra 2012. Maro no gaga tamin'ny fandefasana azy ity.
Manjavona Ireo Toerana Mahaleotena Fijerena Horonantsary Tany Japana
Miala tsirairay eo amin'ny sehatry ny fandraharahana ireo toerana mahaleotena fijerena horonantsary ao Japana. Nanova ny endrik'ireo araben'i Tokyo ny onjan'ny fanakatonana ireo toerana fijerena horonantsary. Very toerana ireo olona izay zatra miaraka sy mandany fotoana tany amin'ireo teatra ntaolo ireo.
Ekoatora: Lahatsary Fanadihadiana “Zanaky Ny Jaguar” Nahazo Ny Loka National Geographic
"Children of the Jaguar" "Zanaky ny Jaguar" dia fanadihadiana velona manampy antsika hisaina mikasika ny zava-doza aterak'ireo orinasa maro rantsana erantany izay miezaka ny hitrandraka ny tahirin-tsolika ambanin'ny tany ao amin'ny Ala Amazona ao Ekoatora sy ny tolona tsy miato ataon'ireo mponina any an-toerana hiarovany ny tanin'izy ireo.