Tsy afaka hijery ny Amboaran'ny Sarimihetsika ao Hong Kong andiany faha-35 fanao isan-taona amin'ny fahitalavitra na amin'ny aterineto ny Shinoa tanibe amin'ity taona ity, ny anton'izany dia noho ilay sarimihetsika tsy miankina antsoina hoe “Folo Taona” voatendry hifaninana amin'ny Sarimihetsika Tsara Indrindra tamin'ny 2015.
Ny fizaran-doka, natsangana tamin'ny taona 1982, dia iray amin'ireo lanonana hajaina indrindra ho fankalazana ny zava-bitan'ny indostrian'ny sarimihetsika amin'ny teny Shinoa. Tahaka ny taona maro lasa, ny Fahitalavim-panjakana ao Shina (CCTV) sy ny goavan'ny teknolojia, fahitalavitra antserasera Tencent no manana ny zo amin'ny fandefasana ny lanonana fanolorana loka ho hitan'ny mpijery ao Shina Tanibe. Saingy, na dia teo aza ny fifanarahana voalohany nataon'izy ireo, dia niala tampoka tsy handefa ny lanonana ny roa tonta, izay tokony hotontosaina amin'ny 3 Aprily.
Nanambara ny mpikarakara ny loka fa nandrara ny fandefasana ny lanonana ao Shina ny Biraon'ny Fitantanana ny Tontolon'ny Aterineto ao Shina, tarihin'i Liu Wei satria tsy nankasitraka ny fanendrena ny “Folo taona” ny manampahefana.
Ahitana fizarana dimy ny sarimihetsika tsy nandaniana vola-be “Folo Taona”, manoritsoritra ny hoavy mangidy (mifanohitra amin'ny mampanofinofy) any Hong Kong amin'ny taona 2025 noho ny fitsabahana tsy mitsahatra ataon'i Shina ao an-tanàna ny fizarana tsirairay. Nahazo sitraka tao Hong Kong ny sarimihetsika, nankasitrahana noho ny fanehoana ny fihetseham-po malaza ao an-toerana. Raha ny marina, dia resiny ny fizarana nivoaka farany indrindra tamin'ny Star Wars tamin'ny fivarotan-tapakila ao an-toerana. Ity ambany ity ny sombiny ofisialy amin'ny sarimihetsika (miaraka amin'ny dikanteny Anglisy):
Mampiseho olona hafahafa mandoro ny tenan'izy ireo teo anoloan'ny masoivoho Britanika ny ray amin'ireo fizarana ao amin'ny sarimihetsika, nampitondraina ny lohateny hoe “Self-Immolator” izay nisongadina tamin'ny fantsom-baovao Amerikanina CNN. Ny tantara dia napetraka andamosin'ny “hetsika mpandala ny ao an-toerana” izay mitsipaka ny tsindry aneren'i Shina tanibe ho mari-panondroana azy ireo rehefa naverina tamin'i Shina indray i Hong Kong tamin'ny 1997 rehefa avy zanatany britanika.
Amin'ny mahafitantanam-paritra manokana azy dia heverina ho manana haavom-pizakantena ambonimbony ihany i Hong Kong manoloana ny tanibe. saingy be ny fanahiana fa gejain'ny antoko komonista tsikelikely ny fahafahana antonontonony ananan'ny tanàna — ary tsy ahiahy tsy amin'antony izany [mg]. Mandritra izany fotoana izany, nisy toby prô-demokrasia iray tao an-tanàna nanentana ny hahazoana zo bebe kokoa ao anatin'ny taona maro. Tamin'ny 2014, an'arivony no nanatevin-daharana ny Hetsi-panoheran'ny Elo izay nibodo ny afovoan-tanànan'i Hong Kong nandritra ny telo volana, nitaky ny hahafahan'ny olom-pirenena ho afaka hanendry kandidà. Rehefa tsy nahomby ny hetsi-panoherana am-pilaminana, dia nisy ireo “mpandala ny ao an-toerana” manana lonilony nanandra-teny ny amin'ny tokony ampiasaina teti-panorona sahisahy sy miatrika ady kokoa ho fanomezana hery ny fizakantenan'ny tanàna.
Nanandram-peo anefa ny mpitondratenin'ny Antoko Komonista Shinoa, Global Times, fa “viriosy” mampiely fahakiviana sy tebiteby ao an-tanàna ny sarimihetsika. Nasehon'ny tatitra fa mifandray mivantana amin'ny fanendrena ny “Folo Taona” ho eo amin'ny Filma Tsara Indrindra ny fandrarana ka izany no nahatonga ny baiko ho avy any amin'ny manampahefana ambony indrindra eo amin'ny sehatry ny fampielezankevitry ny firenena. Ankoatra ny tsy handefasana lanonana any amin'ny haino aman-jery, dia nobaikoana tsy hahazo hiteny na inona na inona na hanonona ilay filma ny sehatra fampitam-baovao rehetra.
Ho setrin'ny fandrarana, dia niteny tamin'ny mpanangom-baovaon'ny sehatra fampitam-baovao an-tserasera HK01 ny talen'ny “Mpandoro-Tena”, Kiwi Chow:
這種做法,再一次反映他們對電影的芥蒂,甚至是怯懦。(中央怕電影帶來影響?)我不想給一個答案,但我想帶出一個思考,問所有人,怕這部電影的甚麼?這部電影包含很多觀點與想法,如果我們要與中央溝通,可以嘗試理解,他們到底在怕甚麼。
Ny fomba ifehezany ny raharaha no mitaratra ny tebitebin'izy ireo manoloana ny sarimihetsika [ho fampitan-kafatra]. Inona tokoa no tena atahoran'i Beijing? Tsy te-hanome valiny mivantana aho, saingy tiako atoraka amin'ny rehetra izany fanontaniana izany: Inona no tena mampatahotra amin'ilay filma? Nandoko eritreritra sy fomba fijery isankarazany ilay filma; mety ho teboka fiaingana hifandraisana sy hifankahazoana io. Ka inona ary no tena atahorany?
Nifandamina ny fikambanan'ny mpianatra avy amin'ny kolejy sy oniversite 12 ao an-toerana fa hifandimby amin'ny fijerena ilay sarimihetsika mandritra ny volana Febroary sy Marsa.
Tsinjo ho tsy nijanona teo amin'ny fizaran-dokan'i Hong Kong ihany i Shina. Tamin'ny 22 Febroary dia voatatitra fa nandrara ny fandefasana ny fizaran-dokan-tsarimihetsika Taiwaney Soavaly Volamena tsy ho azo alefa any amin'ny Tanibe ihany koa ny manampahefanan'ny propagandy shinoa.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 1 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...