· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Aogositra, 2017

Nanoratra Taratasy Ho An'i Kristy Ireo Bilaogera Iraniana

Toa tahaka ny mahagaga angamba izany, kanefa bilaogera Miozolomana maromaro no nanoratra taratasy ho an'i Jesoa Kristy tao amin'ny bilaoginy izay nitaraina momba ny fanevatevan'ireo Tandrefana ny Miozolomana, ary indrindra indrindra tamin'ny sarimihetsik'ilay solombavambahoaka Holandey Geert Wilders tsy tia Islamo antsoina hoe Fitna.

24 Aogositra 2017

Paragoay: Nandresy Tao Cannes Ny Sarimihetsika “Sebastian's Voodoo”

Mankalaza an'i Joaquin Baldwin, anankiray amin'ny mpanatontosa sarimihetsika sady mpanentana izay voalohany nitondra loka nody an-tanindrazana tamin'ny fifaninanana Sarimihetsika Fohy Antserasera notontosaina niaraka tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsik'i Cannes, ny Paragoaiana. Noforonina tamin'ny alalan'ny sarimiaina nomerika ny sarimihetsika Sebastian's Voodoo, ary noreseny ireo tafakatra famaranana miisa 9 hafa nandritra ny fifidianana an-tserasera.

10 Aogositra 2017