Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Marsa, 2011
Brezila: Ny Sandan'ny Famatsiana Ara-Bola ny Kolotsaina
Vaovao vao haingana ny hoe navelan'ny Ministeran'ny Kolotsaina Breziliana ilay mpihira malaza Maria Bethânia mba hanangona volaR$ 1.3 tapitrisa tsy tataovan-ketra (ny reais Breziliana iray dia tokony ho US$ 777,000 eo h eo) mba hananganana bilaogin-tononkalo, ary izany dia niteraka hatezeran'ireo mpitoraka bilaogy, ny mpampiasa Twitter sy ireo mafàna fo hafa amin'ny sehatry ny kolotsaina.
Meksika: Miteraka fisahotahana ny mety ho fanasivanana fanadihadiana
Ny mpitsara Meksikana iray dia nibaiko ireo teatra hampiato mandritra ny fotoana voafetra ny fandefasana ilay fanadihadiana Meksikana malaza Presunto Culpable [es] (Voalaza fa Meloka). Ny mpanatontosa ilay horonantsary, tao aminà fanambarana navoaka tao amin'ny vohikalany [es], dia manambara fa ho tohizana ny fandefasana ny fanadihadiana raha tsy maharay didy avy amin'ny governemanta na ny fitsarana ry zareo. Miadihevitra mavitrika momba izany ny tontolon'ny blaogy Meksikana, ary mifantoka indrindra amin'ny fanivànana sy fahalalahana maneho hevitra.
Maneran-tany: Ary ny amboara ho an'ny mpilalao sarimihetsika mendrika indrindra dia lasan'i Gaddafi!
Mety ho nahazo ny Amboara Oscar i Colin Firth ho an'ny mpilalao sarimihetsika mendrika indrindra, nefa ilay mpanao didy jadona Libiana, ny Kolonely Muammar Al Gaddafi no nahazo naoty tsara...