Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Aogositra, 2010
Japana: Ny hafatra farany napetraky ny mpandrindra Sarimihetsika Japoney Satoshi Kon
nodimandry noho ny homamiadan'ny sarakaty ny mpandrindra Sarimihetsika Japoney Satoshi Kon tamin'ny 24 Aogositra, teo amin'ny faha 46 taonany. Ny hafatra farany napetrak'i Kon izay nivoaka tao amin'ny vohikala ofisialiny dia nanako tamin'ireo mpankafy eran-tany izay malahelo ny fahalasany.
Sina: Nivoaka ny fonja i Fan Yanqiong, “Fujian” ao amin'ny aterineto
Ny farany tamin'ireo "Fujian" 3 ao amin'ny aterineto mbola voatana antrano maizina, Fan Yanqiong, dia nivoaka androany "on medical parole" taorian'ny taona iray nanefainy ny helony. Jereo ny fanadihadihana vaovao nataon'i He Yang mikasika ny tantarany, tahaka izany koa ireo vahoaka ao amin'ny aterineto You Jingyou sy Wu Huaying, etsy...
Video: Fanatontosana raki-kira antsary ambanin'ny 99 USD
Any amina indostria izay mitombo hatrany ny fandaniana, ny fanatontosana sy fandokafana horonantsarin-kira dia mety hanahirana. Ny vohikala 99 Dollar Music Video (horonantsarin-kira amina 9 dolar monja) dia manome fahalalahana ho an'ireo tarika sy mpanao sarimihetsika hamiratra miaraka amin'ireo famoronana horonantsary, alaina anatin'ny andro iray, avoaka ao anatin'ny andro iray...
Fifaninanana manao horonantsary: Aterineto ho an'ny Fandriam-pahalemana
Voatodro ho isan'izay handray ny Loka Nobel 2010 ho an'ny Fandriampahalemana ny Aterineto. Ao anatin'ny adihevitra ao amin'ny fanampiana entin'ny aterineto amin'ny fiaraha-monintsika, Condé Nast sy Google Ireland dia niaraka nikarakara ity fifaninanana manao horonantsary ity ary dia hanana tombony hitety toerana sy hahita ireo horonantsariny handeha amin'ny MTV Italiana...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...