Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Febroary, 2012
Indray Andro Eto An-tany: Fiaraha-mijery Ireo Horonan-tsary Niarahan'Izao Tontolo Izao Naka
Ny horonantsary Indray Andro Eto An-tany dia fiaraha-mientan'olona avy amin'ny vazantany efatra noraketina nandritra ny andro iray ka ny 10 Oktobra 2010 izany ka maharitra 3000 ora mahery no voaangona, izay mahatalanjona ny fahasamihafan'ny karazany, ny adiady, ny voina, ary ny fandresena izay niseho tamin'izany andro iray izany. Amin'ny (faha 22...
Brezila: Rafitra Famonjàna Tsy Lavorary Any Amerika Latina
Tao amin'ny Brazilian Sun nisy fanadihadiana iray momba ny toetoetry ny rafitra famonjana Breziliana amin'izao fotoana. Taorian'ny zava-doza nitranga nateraky ny afo tany amin'ny fonja tao Honduras nahafaty mpiara-mifonja 350, ny fandosirana nitranga tany amin'ny fonja tao Peru ary ny korontana tany amin'ny fonja tao Mexican, tena ilaina mihitsy ny mitondra vahaolana ho an'ity toe-draharaha ity.
Malezia: Fikambanana Miaro ny Zon'Olombelona Amin'ny Alalan'ny Lahatsary
Ny KOMAS dia fikambanana iray any Malezia izay mampiasa ny famokaran-dahatsary ho fitaovana hanabeazana sy hiarovana ny zon'olombelona eo amin'ny sehatry ny tsy fanavakavahana, ny maha-olompirenena, ny fiarovana eny ifotony ary amin'ny fitaizana momba ny fifidianana mbamin'ny famoronana lahatsarin-tahirinkevitra.
Lahatsary Misongadina: Mozika, Tetikasa Ho An'ireo Zanatany, Hatezerana Ary Zava-mahagaga
Lisitr'ireo tantara vao haingana sy mahaliana ka anisan'izany ireo lahatsary avy any Amerika Latina, Azia Antsinanana, Afrika Antsinanana Afovoany sy Avaratra ary Eoropa Antsinanana sy Afovoany, nofantenan'i Juliana Rincón Parra.