Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Avrily, 2011
India: Ny Fandrisihana ny Vehivavy sy ny Lahatsary am-Bilaogy
Women Aloud Videoblogging for Empowerment (WAVE) dia sehatra iray sy fandaharanasa handrisihana ireo vehivavy any amin'ny faritra manodidina ny renivohitra any India hanehoan'izy ireo ny heviny anaty lahatsary eo amin'ny aterineto mikasika ireo lohahevitra mahakasika azy.
India: Fanehoana Fanohanana ny Fiarahamonin'ny “Gay” Taorian'ny Fampisehoana Lahatsary
Voaporofo tany Raipur ny herin'ny lahatsarin'ny olom-pirenena hampirisihana ny fanovàna. Ny fampisehoana lahatsary iray mampiseho ny fahasarotana iainan'ny vondrom-piarahamonin'ny "gay" dia nahafahan'ireo mpijery avy amin'ny sehatra samihafa niresaka momba ny fanavakavahana sy naneho ny fanohanany tamin'ny fikarakarana hetsika am-pilaminana.
Kenya : Tanora tia mampita-vaovao ao ambani-tanàna ao Kibera
Vonona hampiseho endrika hafa sy miavaka ny tanàna onenany ireo tanora Kibera, ao Kenya, izay malaza ho ambani-tanàna lehibe indrindra ao Afrika. Miaraka amin'ny fankatsary enti-tanana, nitety ny arabe izy...