· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Jolay, 2012

Lahatsary: Misokatra Ny Fifaninanana Manerantany Horonantsarimihetsika Iray Minitra Momba Ny Tontolo Iainana

Manomboka ny fifaninanana horonantsarimihetsika iray minitra miompana amin'ny tontolo iainana andiany fahatelo karakarain'ny Tve Biomovies. Mahazo mandray anjara avokoa izay rehetra mihoatra ny sivy taona manana fakantsary ka manana hevitra hanao lahatsary (video) iray minitra miompana amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny tontolo iainana mba hahazoana loka $300 ahafahana mifaninana hahazoana loka goavana kokoa mitentina $1500 sy fandraisana anjara amin'ny valandresaky ny Firenena Mikambana UN COP 18 hotontosaina amin'ny volana Novambra.

13 Jolay 2012

Nikaragòa: Tsy Mijanona Ny Tolona Ho Fampitsaharana ny Fampiasana Ny Ankizy

Tsy mora tokoa ny manandrana mampitsahatra ny fampiasana ny ankizy ao Nikaragòa, mampiseho ny antony mahatonga ireo ankizy marobe mbola miasa ity lahatsary manaraka ity na dia teo aza ny fisian'ny lalàna vaovao ....Na dia miasa mandritra ny tontolo andro aza izy ireo ka reraka vao mody an-trano, mirehareha tanteraka amin'ny fanampiany entiny ho an'ny fianakaviany ireo ankizy sy tanora ireo, ary tsy mandray izany ho toy ny "asa" na zavatra manitsakitsaka ny zony.

11 Jolay 2012

Bengladesy: Mampianatra ny Zaza Madinika Hiteny Teny Vahiny sy Handainga Ve Ny Sarimiaina?

Niteraka adihevitra tany Bengladesy ny sarimiaina nalefan'ny Fantsom-pahitalavitra Disney India. Maro no mitaraina fa manosika ny zaza hianatra ny teny Hindi an'ny tany mifanila vodirindrina amin'i Inde, ity sarimiaina ity, ary mahatonga azy ireo handainga ny fandefasana ela loatra ity fandaharana sarimiaina Japoney Doraemon ity.

05 Jolay 2012