Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Aogositra, 2011
Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina
Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.
Afghanistan: Feon'ny Tanora Afghan Ao Amin'ny Lanonamben'ny Fampitam-baovao Marolafy
Ao Afganistana, nikofokofoka tokoa ny tambazotra Internews mba hanazatra sy hanetsiketsika ireo tanora Afghan hizara ny fomba fijeriny amin'izay lohahevitra mahaliana azy ireo ao amin'ny Afghan Youth Voices Festival na Lanonamben'ny Tanora...
Pakistan: Mpitoriteny Islamika an-TV Tratran'ny Lahatsary Miafina
Ilay lahatsary nalaina niafina nanoritsoritra an'i Dr. Amir, izay heverina ho olona ambony mpivavaka manam-pahaizana, lehilahy be fanetre-tena, tia fananarana, no hita mandrisika amin'ny fanararaotana sy izao karazana fitenenan-dratsy izao ary ny faniratsirana ny fivavahana
Meksika : Fankalazana ny faha 100 taonan'i Cantinflas
Ity volana Aogositra ity i Meksika no mankalaza ny zato taona nahaterahan'i Mario Moreno mpanao hatsikana, diso fantatra amin'ny hoe Cantinflas . Any Meksika, ary manerana an'i Amerika Latina, Cantinflas dia fantatra ho mpilalao lehibe ary iray amin'ireo mpilalao hatsikana tena be mpitia indrindra any Meksika.Cantinflas no nisolo tena ny ankolafy mahantra ao Meksika. Vitany ny nisarika ny sain'ny olona handinika ny tsy fitoviana eo amin'ny mahantra sy ny manankarena taminà fomba tsy nanam-paharoa.
Bangladesh: Fahafatesana Mahatsiravina Niteraka Fanarahamaso akaiky ny an-dalambe
Nahatohina ny Bangladeshi mafy tokoa ny fahafatesana tampoka nahazo ilaytale nahazo loka taminà famokarana sarimihetsika Tareque Masud sy ilay mpaka sary (cameraman) fanta-daza maneran-tany sady mpanao gazety amin'ny fahitalavitra Ashfaque Munier Mishuk tanaty lozam-pifamoivoizana. Misaona ny fahafatesan'izy ireo ny mponin'ny aterineto sady manontany mikasika ny fiarovana eny amin'ireo làlambe Bangladeshi.
Kolombia: Polisy Nandihy Nirary Tongasoa Ho Anà Mpilalao Baolina Kitra
Tao Medellin, Kolombia, tao amin'ny seranam-piaramanidina dia naneho hetsika fiarahabàna an'ireo mpilalao baolina kitra ireo manamboninahitry ny polisy, nahafinaritra ireo mpitsidika izany fa kosa nahatonga olana momba ny filaminana ho an'ny toerana sasantsasany.
Maneran-tany: Zarao Amin'izao Tontolo Izao ny Fiainanao Ny 11-11-11
Inona no hataonao amin'ny 11 Novambra 2011? Zarao amin'izao tontolo izao izany amin'ny alalan'ny 11Eleven Project ary manampia amin'ny fanatontosana ireo Tanjon'ny Firenena Mikambana ho Fampivoarana ny Taonarivo!