· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Oktobra, 2018

Neil Harbisson: Mihaino ireo Loko

  31 Oktobra 2018

Nanana areti-maso antsoina hoe akrômatopsia i Harbisson, izay mahatonga azy tsy hahay hanavaka ny loko ankoatra ny mainty sy fotsy. Namorona ny "Eyeborg" izy hanampy azy amin'ny fandraisana ireo maridrefy alefan'ny loko ka hamadika azy ireo ho feo misongadina izay reny amin'ny alàlan'ireo taolana ao anatin'ny sofiny.

Toy ny Trano Fijerena Sarimihetsika i Koety

Mbola betsaka kokoa ny zavatra miafinanoho izay hitan'ny mason'ireo blaogera Koetiana. Amin'ity herinandro ity, Avy aminà Koetiana iray mpampianatra, mpamokatra sarimihetsika ary mpanakanto iray no henontsika. Jerentsika ihany koa ny fomba nanehoan'ny blaogera iray hevitra rehefa tapaka ny herinaratra tany am-piasana ary ny antony mampijanona amin'ny 23 ora ny toerana natokana ho an'ny mpiampita eo anelanelan'ny sampanana roa amin'ny trano fivarotana iray.

Koety: Very Eo Anelanelan'ny Trano Fijerena Sarimihetsika sy ny Trano Fisakafoanana

(2007) Eo anelanelan'ireo sarimihetsika voasakana sy voasivana any amin'ny trano fijerena sarimihetsika sy ny trano fisakafoanana izay mbola mila manao ezaka be amin'ny resaka tolotra, tena leo be ireo blaogera Koetiana tamin'ny herinandro farany teo. Mitondra amintsika ny fanavaozana farany avy ao amin'ny tontolon'ny blaogy Koetiana i Abdullatif AlOmar ao anatin'ity lahatsoratra ity.