Tantara mikasika ny Sarimihetsika tamin'ny Aogositra, 2018
Ejypta: Lahatsarim-pifidianana, Fanapahana ny fanampiana Amerikana ary Bilaogy vaovao avy amin'ilay talen'ny sarimihetsika mana-talenta
Amin'ny fitsidihana avy ao Ejypta amin'ity herinandro ity, manoratra momba ny olana ao an-toerana ary koa ny fifandraisan'i Ejypta sy Etazonia ireo bilaogera ary mampahafantatra anareo koa momba ireo bilaogy vaovao mahaliana mikasika ny sarimihetsika, sary sy ny tanora liberaly aho.
Mankalaza Ny Faha-30 Taonan'i Akira Ireo Mpankafy Erantany
Ny 16 Jolay 2018, nankalaza ny tsingerintaona faha-30 n'i Akira ireo olompirenena erantany, sarimihetsika iray izay nanova sy namela dindo tanteraka tamin'ny sarimiaina.
Fandinihantena Sy Fikarohana Ny Antom-pisiana Ao Anaty Tontolom-bolongana Oganda
Manana olana ara-pisiana miseho amin'ny endrika isankarazany ireo blaogera Ogandey. Nanomboka tamin'ny volana janoary ny fandinihantena eny anivon'ireo Blogren, raha toa izy ireo nanomboka nifampiantso, rehefa injay marobe ireo blaogera nanohitra ny famoronana ny Ora Mamalifaly (Happy Hours) ho an'ireo Blaogera ao Oganda sy ireo Loka ho an'ny Bilaogy Tsara Indrindra ao Ogandà.
Fahazoana Rano Fisotro : Fifaninanana Iraisampirenena Famoronana Lahatsary ho an'ny “One Take”
[...] raha toa ny sasany mino fa ny rano dia tokony heverina ho filàna fototra fa tsy zo fototra, ny hafa indray, izay nahitàna an'i Etazonia, Shina, Kanadà, dia tsy mihevitra azy io ho tokony heverina ho toy ny zo fototra maha-olombelona.
DoGooderTV: Nisokatra ny fifidianana ho an'ny lokan'ny lahatsary tsy mitady tombontsoa
Nifarana ny Asabotsy 25 Aprily 2009 ny fifantenana ireo mifaninana Loka DogooderTV 2009 NonProfit Video, ary azo nojerena tao amin'ny tranonkalany ireo lahatsary samihafa nalefan'ireo fikambanana mba hampiroboroboana ny lohahevitra. Hasehonay anao androany ny sasany tamin'ireo lahatsary nifaninana izay nifantoka tamin'ny olana iraisampirenena.
Ny ”gripan-kisoa” an-dahatsary : vaovao, hanihany, vongan-tsira
Manoloana krizy iray, maneho hevitra amin'ny fomba samihafa avokoa ny olona. Misy ireo manao lahatsary mba hanaovana hira mikasika ny gripan-kisoa, misy kosa ny manao lahatsary hatsikana ho amin'izany.