Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Jona, 2018
Manatona ny fifidianana, miatrika fanafihana na fakana an-keriny ny Pakistaney mpanao gazety na mpikatroka

Ity fifidianana ity no hanamarika ny fotoana faharoa isian'ny tetezamita (famindram-pahefana) demaokratika eo amin'ny tantaran'ny firenena.
Fanavakavaham-pahafahana : Hanangana faritra aterineto misokatra ao amin'ny nosiny fizaha tany i Shina

"Raha tsy maninona ny mitsidika Twitter, Facebook, nahoana no vahiny ihany no avela hiditra fa tsy ny Shinoa?"
Voampanga noho ny fanohintohinana ny fiarovam-pirenena tamin'ny fisoloantena ny hetsi-panoherana manohitra ny hijab i Nasrin Sotoudeh, mpisolovava Iraniana
"Raha manontany ahy ianareo hoe inona no tena eritreritr'ireo manampahefana dia hamaly aho hoe tian'izy ireo hijanona ao an-tranony fotsiny i Nasrin ary ... ary mitsahatra tsy hiaro intsony ireo mpikatroka sivily sy politika..."
Navoakan'ny fikarohana ny fisian'ny fanentanana nomerika misompatra ireo mpiaro ny zon'olombelona Pakistaney

Milaza ny tatitra avy amin'ny Amnesty International fa misy tambajotra kaonty media sosialy hosoka ampiasaina hisovohana ho ao amin'ireo vondrom-piarahamonina mpikatroka ao Pakistan.
Tarika mpanaraby iraniana mihira hiram-pitiavana ho an'ny Telegram taorian'ny fanakanana azy

Raha vao niankina taminao aho, dia nosakanana tampoka ianao ary lasa ka ity VPN ity sisa no tavela eto amiko, izay hany tetezana eo amiko sy ianao.
Manakatontranonkala ireo miahy tena malaza ao Tanzania fa antomotra ny fanombohan'ny “fampandoavana hetran'ny bilaogera”

Tsy fahazoan-dalana hanivanan-tena ihany izany fa koa fomba iray mba ho lasa fitaovam-panjakana hanivana ny zon'ny (mpandray anjara) hafa haneho hevitra
Mety ho voaheloka ho faty noho ny “fanevatevana ny Mpaminany” ilay mpandrindra fantsona Telegram iray

Milaza ny andininy faha-262 amin'ny Fehezan-dalàna Famaizana Islamika fa "Na iza na iza mianiana na manao qazf [fanendrikendrehana] manohitra ny Mpaminany Lehiben'[ny finoana Islamo]... dia homelohina ho faty."
Mpanao gazety Rosiana noterena hametra-pialàna noho ny fitsikerana ny fampielezan-kevitra mpomba an'i Potinina tao amin'ny Instagram

"Maniry izahay mba hiaina am-pilaminana ny tany, saingy raha manome baiko ny lehibenay mba hiady ny ady farany, miaraka aminao izahay, Dadatoa Vova!"