Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Avrily, 2018
Liberiàna Mpanao Gazety, Nosamborina , Voakapoky ny Fitakiana 1,8 Tapitrisa Dolara Amerikana Tao Anatin'ny Disadisa Pôlitika
Herinandro vitsy monja taorian'ny nitateran'ny FPA ilay tantara ratsin'ny LEITI, voakiana noho ilay raharaham-pitsaràna sivily ilay gazety, nahatonga ireo mpikatroka ho an'ny fahalalahan'ny gazety hino fa lasibatra noho ny tatitra nataony nanakianana ny governemanta ny FPA.
Nakatona tamin'ny andron'ny vehivavy ny kaonty media sosialin'ny Shinoa feminista malaza
"...tsy mahafantatra ny dikan'ny hoe feminisma ny governemanta Shinoa, tsy mahatakatra izay zavatra ataon'ny feminista, ary tsy mahafantatra ny zavatra izay tadiavin'izy ireo."
#SOSNicaragua: Mpanao fihetsiketsehana 25 sy mpanao gazety iray farafahakeliny no namoy ny ainy tao Nikaragoà, hoy ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona
Mandefa mivantana, misioka sy mandefa bilaogy an-dahatsary momba ny krizy eny ifotony ny Nikaragoàna.
Nakarin'ny fitondrana ao Angola fitsarana indray ilay mpanao gazety, Rafael Marques, nanao fanadihadiana momba ny kolikoly
Mpanao gazety malaza amin'ny famoahana momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona amin'ny varotra diamondra i Marques , tsy izy ihany anefa no kendren'ny fitondrana Angoley.
Netizen Report: Nandràra ny “vaovao faikany” i Malezia” — i Singapaoro ve no manaraka?
Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.
Mpitarika mpiaro ny zon'olombelona notazomin'ny manampahefana Tiorka nandritra ny atrikasa fiofanana
"[Ireo] olona nanolotra ny ainy ho an'ny fiarovana ny zon'olombelona ireo. Ho avy ny andro hijoroan'izy ireo ho an'ny zon'ireo izay ao ambadik'ireo tantara ratsy ireo."
Netizen Report: Mangataka valinteny avy amin'ny Facebook ireo mpikatroka manerantany
Ny Advox Netizen Report dia manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany.
Nambaran'ny fitsarana rosiana ny fandraràna ny Telegram, mihantsy, mitsiky… ary manahy ny mpisera
Ary raha manakaiky ny farany ho tonga any amin'ny fanapahan-kevitra hanakana ny fampiasa ny tolona maharitra herintaona ifanaovan'ny Telegram sy ny manampahefana rosiana, nisy fahamaimaizana ary matetika lasa manamaivamaivan-javatra ny setrin'ny filazana.
Manabaribary ny Toetran'ny Fahalalahàna miteny Ao Espaina Ny Fandoavana Sazy Noho Ny Sary Namboarina
Onitra 480 euros no nambara ho an'i Daniel Serrano, tovolahy iray 24 taona, noho ny namoahany tao amin'ny aterineto ny sarin'ny tarehiny nampifanamboarina tamin'ny sarin'i Kristy.
#KnowYourDictator: Maneloelo ny Filoha ao Azerbaijan Voafidy Indray Ireo Mpifindramonina Ara-Politika sy ny Tenirohiny
Nanempotra ny mpanohitra eo an-toerana, mahita fomba hanemporana ireo mpikatroka monina any ivelany ny filoha vaovao voafidy Ilham Aliyev