Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Mey, 2018
Noho ny faneren'ny mpitandro ny filaminana, “miantona amin'izao fotoana izao” ny Beirut Pride 2018
"Fantatra hatrany amin'ny fanajana ny fahasamihafana i Libanona sy ny filazana fa firenena tsimialonjafy ho an'ny olom-pirenena REHETRA, na dia eo aza ny fahasamihafana. "
Netizen Report: Inona no iombonan'i Pakistan sy Rosia? Mandràra ny Telegram izy ireo.
Manome topimaso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Advox Netizen Report.
Nogadraina ireo mpikatroka Rosiana manohitra ny kolikoly noho ny “fitarihana fitroarana” tamin'ny alalan'ny siokan'izy ireo
Nampiasain'ny manampahefana ho porofon'ny fitarihana korontana faobe ny sioka, ary indraindray ny "retweets" tamin'ny votoaty hafa an'ireo mpikatroka manohitra ny kolikoly izay nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fanokanana fahefatra an'i Vladimir Putin ho filoha .
Tsy Fahaiza-Mitàntana Sa Tsindry Politika No Nandroahana Ilay Tonian-Dahatsoratry ny Bangkok Post, Umesh Pandey ?
"Aleoko very asa toy izay hanondrika ny lohako."
Tafahoatra ny fisamboran'i Kazakhstan an'ireo mpanohana an'ilay mpanefoefo Ablyazov
Manomboka amin'ny fandrahonana izay mitondra baolina manga hatramin'ny fisamborana any amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina, mitombo kokoa ny fanenjehana no sady miharatsy kokoa.
Hijabs sy zipo-fohy: tsy azo hanaovana ao Tajikistan
Namoaka boky toro-lalana mikasika izay fomba tokony hotafian'ny vehivavy i Tajikistan, ary nampanantena hamoaka boky tahaka izany ho an'ny lehilahy koa.
Mivembena ny ezaka ataon'ny governemantan'i Rosia handrara ny Telegram, sangisangian'ny mpikatroka nomerika ny sampana mpanao sivana
Anaovan'ireo Rosiana fanalan'andro ny fandanian'ny sampan-draharahan'ny sivana rehefa miezaka mandrara ny fampitan-kafatra ankamamiany ilay sampan-draharaha.
Nolazain'ireo mpikatroka ao Moskoa fa notapahin'ny orinasam-pifandraisandavitra, araka ny baikon'ny polisy, nandritra ny hetsi-panoherana ny tambajotram-pinday
Efa fahita hatrizay ny fahatapatapahan'ny tambajotra rehefa misy hetsi-bahoaka ao Rosia, kanefa nilaza ireo mpikatroka ankehitriny fa ninia nanaratsy ny kalitaon'ny tolotra noho ny baikon'ny polisy ny orinasan'ny fifandraisandavitra.
Lasa maditra loatra i ‘Peppa Pig’ ho an'ireo mpanao sivan'i Shina
Zanakolontsaina iray mampifandray an'i “Peppa Pig” amin'ny “Shehuiren”, voambolana iray milaza ireo andian-jiolahy, ka mahatonga an'ilay kisoa malaza ho ao anatin'ny honahonam-potaka.
Netizen Report: manome voninahitra ireo mpanao gazety nisy namono ny mpiara-miasa aminy ao Afghanistan sy Pakistan nandritra ny Andron'ny fahalalahan-gazety manerantany
Manokana ity lahatsoratra ity ho an'ireo mpanao gazety norahonana na novonoina tamin'ity taona ity izahay, ho fanomezam-boninahitra ny Andron'ny Fahalalahan-Gazety Manerantany tamin'ny 3 mey 2018.