Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Mey, 2022
Zeorzia: Mpanao gazety ela nihetezana voaheloka higadra 3,5 taona
Tamin'ny taona 2020 i Gvaramia no voampanga voalohany noho ny fanararaotam-pahefana, ny kolikoly ara-barotra, ny fisolokiana antontan-taratasy ary ny fanodinkodinana fananana tao amin'ny Rustavi 2. Tsy meloka izy tamin'ireo fiampangana miisa telo farany ireo.
Maneho ny fanoherana an'i Potinina ny saina vaovao ho an'ireo Rosiana monina any ivelany manameloka ny fanafihana an'i Okraina
Mivondrona eo ambanin'ny sainam-pirenena Rosiana nohavaozina izay ahitana ny fandavana ny imperialisma sy ny herisetra ireo Rosiana monina any ivelany manohitra ny politikan'i Potinina sy ny fananihana an'i Okraina.
Inona no tena miavaka amin'ilay hira mandatsa-dranomaso ‘Pir’ izay niteraka adihevitra nasionaly tany Nepal?
Novaina sy naverina navoaka indray taorian'ny adihevitra mafana ny hira Nepaley iray ao amin'ny YouTube, mampiseho ny fahorian'ireo mpiasa ambony Maoista izay nanohana sy niady tamin'ny fikomiana naharitra folo taona tao Nepal.
Mandraki-peo: Ny toetoetry ny fahalalaham-panaovan-gazety
Tamin'ity herinandro ity isika mitodika any Shina, India, Colombia, Indonesia ary Serbia hihaino avy amin'ireo mpanao gazety/mpikaoka momba ireo fanamby atrehin'ny fampitam-baovao any amin'ireo firenena ireo.
Mpanoratra Malayziana iray miatrika fanadihadiana noho ny fanevatevana tao amin'ny ranty Facebook
"Manasongadina ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Malezia momba ny olana toy ny fivavahana ny fisamborana an'i Uthaya Sankar SB noho ny lahatsorany tao amin'ny tambajotra sosialy."