Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Mey, 2016
Misavoana Ambony ny Fisandratan'i Papi Jiang Olomalazan'ny Aterineto Shinoa (Vao Avy Tratran'ny Sivana)
Andro vitsy monja taorian'ny nanesoran'ny mpanao sivana aterineto ny clip nataony noho ny fiteny adala, dia nahavarotra zoro fanaovana dokambarotra 3,5 tapitrisa dolara amerikana izy teo amin'ny famoahany lahatsary isan-kerinandro.
Lalaon'ny Hanoanan'ny Azerbaijan: Eo Amoron-tevana Ireo Media Tsy Miankina
"Manambara eto indray izahay, amin'ny fanokafana io fanadihadiana heloka bevava tsy misy dikany io, mametraka fefy amin'ny fahalalahana miteny sy ny asan'ny mpanao gazety ary manempotra ny fiarahamonina demaokratika ny governemantan'i Azerbaijan."
Ny Fanambaran'ny Vondrona Eoropeana Manoloana Ny Fanafahana An'i Marco Mavungo Tao Angola
tokony ho dingana voalohany mankany amin'ny fahazakan'ny governemanta, eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona ao Angola, ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Tampony hanafaka an'i Marcos Mavungo, hoy ny fanambaran'ny mpitondratenin'ny Vondrona Eoropeana.
Mandrafitra Aterineto Mizakatena Fehezin'ny Fanjakana ny Manampahefana Rosiana
Na dia mbola eo amin'ny dingana fanombohana aza ny vakiraokan-tolo-dalàna ary mety hahazo fanitsiana maromaro, raha lasa lalàna, dia ho eo ambany fifehezan'ny fanjakana rosiana tanteraka ny ain-dehiben'ny fotodrafitrasan'ny RuNet iray manontolo.
Tsy Fotoanan'ny Fanaovana Akanjobà Misy Sary Maritoa sy Antsimbilona Izao Any Indonezia
"Fahatahorana ny kaominisma, fahatahorana ny fahalalahana, fahatahorana ny LGBT, fahatahorana ny Shinoa sy ireo hery avy any ivelany: toetoetran'ireo manana fahatsapàna ho ambany. Matahotra ny havendranan'ny tenany ihany."
Profesora Sy Mpamakafaka Politika Nisy Naka Ankeriny Sy Voadaroka Tao Maputo
Nisy naka an-keriny sy nidaroka i José Jaime Macuane, mpanadihady politika mozambikana sady mpamoaka hevitra ao amin'ny televiziona. Hita naratra teny an-dalana ity mpampianatra oniversite ity ary nampidirina tao amin'ny hopitaly tsy miankina iray ao Maputo.
Venezoela: Fikarohana Manamafy Ny Fisian'ny Sivana Atao An'ireo Sehatra Filazambaovao, Tranonkalam-pifanakalozana Ara-Bola
Hitan'ilay fanadihadiana ihany koa fa ireo rehetra eo an-toerana mpanome tolotra aterineto mampiasa fibahanana anaran-tsehatra DNS (domain name system), teknika izay anomezan'ireo lohamilina mpanome anaran-tsehatra valiny diso ho an'ireo fangatahana ho anà sehatra iray voafaritra.
Zaza 11 Taona Mpanjakan'ny Aterineto Ao Rosia
Tamin'ny volana lasa teo, reny iray monina ao Mosko no nahatsiaro naharary momba ny zanany lahy kely 11 taona. Tsaroany tena naharary ka nitodihany tamin'ny Facebook, izay nanaovany antso avo tamin'ireo namany niaraka tamin'ny fangatahana kely
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Ny Nanjavona
Mitondra anao any Ekoadaoro, Oganda, Bangladesh, Okraina ary Pakistan izahay.
Noesorin'ny Akademian'ny Zavakanto Sy Siansa Ao Makedonia Ny Filazàna Ny Trosam-panjakana Taorian'ny Fanerena Ara-politika
Resaka iray mahamay ny resaka trosam-panjakana ao Makedonia, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra ao Eorôpa .