Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Jolay, 2015
Hafatr'i Rosia Ho An'ireo Tranonkala Afaka Manafina Anarana : Akatony ny Vava Dia Ndeha Mandeha
Ofisialy izao ny famoretan'i Rosia ireo tolotra tsy fitononana anarana ety amin'ny tranonkala— amin'ny filazàna fa azo ampiasaina hidirana amin'ireo votoaty izay nampidirina tany aloha tany ho ao anaty lisitry ny antontan-kevitra fampihorohoroana sy nobahanana ao Rosia izy ireny.
Nosakanan'i Shina ny fampitan-kafatra Telegram fa ‘nanampy ny mpisolovavan'ny mpandala ny zon'olombelona’
Chinese state-run newspaper People's Daily accused Telegram of aiding human-rights lawyers and advocates, who allegedly used the app and its "Secret Chat" mode to engage in “anti-government" activity.
Mandrahona Hanakatona Ny Youtube Ny Mpanao Sivana Aterineto Ao Rosia
Nilaza ny Roscomnadzor fa mety hahatonga ny Youtube manontolo tsy ho hitan'ny mpiserasera RuNet intsony ny fanakanana farany noho ny fanaovana dika ireo fandaharana roa amin'ny fahitalavitra Rosiana navoaka tsy ara-dalàna tao amin'ny Youtube.
Tsy Voatery Hanaraka Ny Lalàna Momba Ny Angon-drakitra Fijerena Toerana Ny Twitter Hoy i Rosia
Nambaran'ireo manampahefana fa afaka tsy miraharaha ilay lalàna vaovao manomboka hanan-kery amin'ny 1 Septambra izao ny Twitter, lalàna izay mitaky ny mpanome tolotra ety anaty aterineto hanangona ny angon-drakitra rehetra momba ireo Rosiana mpampiasa azy ho ao anaty lohamilina any Rosia
Nanasonia Ny “Zo Hohadinoina” Ho Lalàna ny Filoha Rosiana Putin
Nanasonia ny lalànan'ny "zo hohadinoina" i Vladimir Putin, raha toa ka naneho am-pahibemaso ny fanohanany ny "famerana bitika dia bitika" ny aterineto Rosiana izy tamin'ny andro nanaovany izany.
Manangana Ady Ao Amin'ny Facebook ilay Mpitsikera Andrian'ny Fon'ny ao Kremlin
Rosiana mpanolotra vaovao, malaza noho ny fitsikeràny nivatravatra amin'ny maha-mpomba an'i Kremlin azy, niseho vao haingana, nanjavona, ary nipoitra indray tao amin'ny Facebook sy Instagram. Hazavain'ny RunNet Echo ny dikan'izany ho an'i Rosia.
Taorian'ny Tsindry Avy Amin'ny Vondrona Mpanohitra Ny LGBT, Nandao Ny Anjerimanontolon'i St. Petersburg Ilay Psikôlôgy
Nofoanan'ny Anjerimanontolom-Panjakana Fianarana Ho Mpitsabo Zaza ao St. Petersburg ny kaomisiona medikaly iray mpanao fandidiana fanovàna taovam-pananahana, ary toa noroahany aza i Dmitry Isaev, ilay dokotera nitarika ilay kaomisiona, taorian'ny fanentanana nataon'ny vondrona iray manohitra ny pelaka,
Mpanao Gazety Voasambotra Noho Ny Fitantarana Ny Fipoahana Baomba Tao Ivelan'ny Foibe Italiana Ao Kairo
Lehilahy iray no namoy ny ainy ary mpanoratra gazety maromaro no voasambotra taorian'ny fipoahana baomba fiara tao ivelan'ny foibe Italiana ao afovoan'i Kairo.
Fihetsehampon'ny Ethiopiana Anaty Fiaraha-Mifaly na Fiaraha-Miory, Tsikera Tamin'ny Famotsorana ireo Bilaogera
Sady nampiseho hafaliana no nampiseho fahamatrohan-tava ny mpanohana ny bilaogy iraisana Zone9 tamin'ny fanafahana ny sasantsasany -- saingy tsy izy rehetra -- amin'ireo blaogera hivoaka ny fonja tamin'ny herinandro.