Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Septambra, 2022
Tatitra Unfreedom Monitor: Zimbaboe
Efa vita tatitra momba ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Zimbaboe izao. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.
Ahoana no nanaovan'ny governemanta ao Sodàna ho ara-dalàna ny fanasokajiana sy ny fanivanana votoaty amin'ny aterineto?
Misy ny fitsipika iray manery ny orinasam-pifandraisana (telcos) hanakana sy hanivana ny lisitry ny URL, ary "manara-maso isan'andro" ny fitaovana fanivanana mba hanamarina fa nohavaozina izany.
Fikambanan'ny mpanao gazety ao Makedoniana Avaratra, manameloka ny rahom-bava natao tamin'ny vehivavy iray mpanao gazety
Vehivavy iray mpanao gazety nanamarina ny banga tamin'ny asan'ireo mpanala fako ao Skopje no norahonan'ireto farany tamin'ny filazàna fa mety hitera-doza izany ho an'ny tenany, ny fianakaviany ary na dia ny alikany aza, nitaky azy hamafa ireo sary manameloka an-dry zareo.
Tatitra Unfreedom Monitor: Tanzania
Efa ato anaty tatitra izao ny fikarohana Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Tanzania. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny pdf feno.
Nampiana marika nomerika miafina ny sehatra media sosialy Shinoa hanaraha-maso fizarana pikantsary
Farafahakeliny sehatra media sosialy Shinoa roa no nanampy script tamin'ny tranonkalany sy ny fampiasany mba hamoronana marika nomerika miafina hanaraha-maso ny mpisera voalohany izay nizara pikantsary.
Undertones: Tsy tapitra ny hetsika fanoherana ady ao Rosia, hoy ireo Rosiana mpikaroka
"Sarotra ny hahalala izay natao rehetra, satria toy ny maty ny asa fanaovan-gazety, na dia mbola betsaka aza ny zava-mitranga na eo aza ny zava-misy."
Nampiasain'ny polisy Indiana ny sioka taloha hisamborana mpanao gazety Miozolomana fantatra ho nampiharihary vaovao tsy marina
Nahazo fanamelohana maro ny fisamborana ilay mpanao gazety indiana sady mpiara-manorina ny tranokalam-panamarinam-baovao AltNews, Mohammed Zubair, noho ny sioka tamin'ny taona 2018.
Tatitra Unfreedom Monitor: Rosia
Efa vita tatitra izao ny tsongam-pikarohana avy amin’ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika any Rosia. Vakio ny sombin-dahatsoratra ary trohy ny endrika pdf feno.