Mpanao gazety Rosiana noterena hametra-pialàna noho ny fitsikerana ny fampielezan-kevitra mpomba an'i Potinina tao amin'ny Instagram

Polisy Rosiana zandriny avy any Volgograd, Rosia, nihira hira fiderana ho an'ny filoha Rosiana Vladimir Potinina. Pikantsary avy amin'ny Runet Echo. Loharano: YouTube.
Ny 24 May 2018, noterena hametra-pialana ilay mpitati-baovao Alexandra Terikova noho ny famoahana lahatsary Instagram ahitana ireo ankizy kely mpianatra mihira ho an'ny filoha Rosiana Vladimir Potinina ary avy eo nanatontosa resadresaka momba izany tamin'ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina iray.
Nandefa lahatsary misy ny zanany vavy sy ankizy hafa ao amin'ny sekolin-jaza miara-miredona ny hira “Dadatoa Vova, miaraka aminao izahay!” i Terikova, izay miara-miasa amin'ny N1, tambajotra fahitalavitra madinika ao an-toerana ao Nizhnevartovsk any Siberia andrefana.
A post shared by Легендарная Курочка (@aterikova_official) on
Dadatoa Vova, miaraka aminao izahay. Ao amin'ny garabola misy anay ihany koa ankehitriny. Tsy dia tiako loatra ny momba ireo mpibaiko mitarika an'i Alisa zanako amin'ny ady maharitra. #unclevovawearewithyou #staples
Tenirohy maneso ny kabary fanaon'i Vladimir Potinina isan-taona ho an'ny parlemanta Rosiana tamin'ny taona 2012 ny #staples(fototsakafo) (# скрепы), izay nitaraina momba ny tsy fisian'ny “agrafy ara-panahy” mihazona ny firaisan'ny firenena eo amin'ny fiarahamonina Rosiana. Mitanisa ny tononkiran'ny hira (Vova, fanafohezana ny Vladimir) ihany koa izy :
Двадцать первый век настал, шар земной от войн устал
Население шара гегемон достал
В Евросоюзе мнения нет, Ближний Восток стонет от бед
За океаном лишен власти президентПрипев:
А нам от северных морей, вдаль до южных рубежей
От Курильских островов, до Балтийских берегов
А на земле сей был бы мир, но если главный командир
Позовет в последний бой, дядя Вова, мы с тобойА что достанется тому, поколению моему
Дать слабинку, потеряем всю страну
А наши верные друзья, это Флот и Армия
Память дружбы деда красная звездаПрипев
Не достанется гряда, самураям никогда.
Грудью встанем за столицу янтаря.
Севастополь наш и Крым, для потомков сохраним.
В гавань Родины Аляску возвратим.
Припев
Eto ny taonjato faha-iraika amby roapolo, leo ady ny planeta,
Leo fanjakazakana maneratany ny mponina eto amin'ny planeta,
Tsy misy ny firaisankina ao amin'ny Vondrona Eoropeana, mijaly anaty fahoriana ny Afovoany Atsinanana
Ary robaina fahefana ny filoha iray manerana ny ranomasimbe.Feo lafika
Tanindrazantsika ny ranomasina avaratra, mandrapahatonga any amin'ny sisintany atsimo,
Avy amin'ireo nosy Kuril mankany amin'iny torapasika Baltika.
Maniry izahay mba hiaina amim-pilaminana ny Tany, fa raha ny lehibenay
No manombe baiko hiady amin'ny ady farany, miaraka aminao izahay, Dadatoa Vova!Ary inona no havelan'ny indray mihira amiko,
Raha manao tsirambina ny fiambenana isika ka hamoy firenena
Ny tena namantsika mahatoky dia ny tafika sy ny tafika an-dranomasina,
Ny fahatsiarovana ny finamanana sy ny kintana menan'ny dadabe.Feo lafika
Tsy hitolo-batana manoloana ny Samurai izahay,
Hiaro ny renivohitr'i Amber [Kaliningrad, andrefana indrindra any Rosia] amin'ny [fanolorana ny] ainay izahay,
Hiaro an'i Sevastopol sy Krimea ho an'ny taranaka ho avy izahay
Ary hamerina an'i Alaska ho ao amin'ny tanindrazana nisy azy.Feo lafika
Tamin'ny Novambra lasa teo no nivoahan'ny hira voalohany ho lahatsarin-kira notarihin'i Anna Kuvychko, mpikamban'ny Duma (antenimieram-pirenena ao amin'ny parlemanta Rosiana) mpanao lalàna miaraka amin'ny antokon'ny fitondrana, Rosia Tafaray. Nahazo “tiako” 17.000 sy “tsy tiako”40.000 tao amin'ny YouTube ny lahatsary, izay nanangona mpianatra avy amin'ny sekolin-jaza eo an-toerana ao Volgograd – Stalingrad teo aloha, (toeran'ny ady mavesatra indrindra sy nahafatesana olona be indrindra tamin'ny Ady Lehibe Faharoa)- ary niteraka adihevitra goavana tamin'ny aterineto noho ny feo fitiavan-tanindrazana tafahoatra sy ny fampiasana ankizy ho amin'ny fampielezan-kevitra ara-miaramila:
Tamin'ny 6 Jona, niresadresaka tamin'ny TV Rain (Dozhd), fantsom-pahitalavitra miahy tena, i Terikova, izay nanazavany fa nanohana ny fampisehoan'ireo ankizy ny sasany tamin'ireo ray aman-drenin'ny ankizy mianatra ao amin'ny akanin-jaza ary nitehaka ho an'ireo ankizy efa-taona sy dimy taona satria nihira am-pitiavana ny tononkira izy ireo. Naneho ny fanoherany tamin'ny mpampianatra i Terikova, saingy nesorina ny fitarainany, hoy izy.
Ny 8 Jona, nampahafantatra azy “ankapobatana” ny sefo an'asa an'i Terikova, ny lehibe mpanatanteraka ao amin'ny tambajotra iasany fa “amin'ny fananana faniriana ara-politika tahaka ny anao, any amin'ny fantsona nanaovanao antsafa no toeranao”, hoy i Terikova tamin'ny antsafa manaraka tao amin'ny TV Rain.
Namoaka ny sarin'ny fametraham-pialàny izy avy eo, ary nilaza fa izy no mpitati-baovao voalohany ao amin'ny Nizhnevartovsk voaroaka noho ny fomba fijeriny manivaka.
Zava-misy mahazatra ao Rosia ireo mpanao gazety very asa noho ny fanehoan-kevitra mitsikera na fanatrehana famoriam-bahoaka ataon'ny mpanohitra. Tamin'ny taona 2012, voaroaka tao amin'ny fantsona NTV i Pavel Lobkov, izay miasa ao amin'ny TV rain amin'izao fotoana. Tamin'ny taona 2015, voaroaka tao amin'izany NTV izany ihany koa i Konstantin Goldenzweig noho ny fanaovana antsafa tao amin'ny fantsona fahitalavitra Alemà iray nilazany ny “fomba fiteny mivantambatana mampalaza” an'i Vladimir Potinina
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...