Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Jolay, 2021
Mitaky ny fanivanan-tena avy amin'ireo sehatra media sosialy ny lalàna Rosianina vaovao
Mino ireo manampahaizana fa ny antony lehibe nahatonga an'io lalàna vaovao io dia ny fanirian'ny fanjakana hampihena ny tsy fankasitrahana sy ireo hetsika fanoherana mitombo ao amin'ny firenena.
Mihoatra lavitra noho ny fanalàna ny fahirano amerikàna no tadiavin'ireo Kiobàna
"Sahiko ny milaza fa miatrika ny olana ratsy indrindra tao anatin'ny tantarany i Kiobà izao, lasa olana amin'ny maha-olombelona tsy misy hafa amin'ilay nodiavin'i Venezoelà tato anatin'ny taona vitsivitsy."
Fibahanana fidirana : ny fatiantoka ara-tsosialy sy ara-toekarena ateraky ny fibahanana ny Twitter ao Nizerià
Noraisin'ny Filoha nizeriàna Buhari ho toy ny hetsika fankahalàna azy ny fanohanan'ny Twitter ireo hetsipanoherana #EndSARS tamin'ny 2020, sy ny namafàna ny bitsika nalefany,
Noho ny tsindry avy amin'ny fanjakana, nikatom-baravarana ny Team 29, ilay vondrona malaza indrindra amin'ny fiarovana araka ny lalàna ao Rosia
Ny 19 Jolay, nanambara ny Team 29 fa hampiato ny asany mba hiarovany ny mpiasa ao aminy sy ireo mpanjifany tsy hiharan'ny mety ho fanenjehana ara-keloka.
Avy ao Kiobà, nampiasàna VPN
Lesona azo tamin'ireo hetsipanoherana, “Tonga saina tamin'ny zavatra mitranga aho ary avy hatrany dia nihevitra fa, afaka minitra vitsy, mety ho tapaka ny tolotra aterineto eto Kiobà, na raha kely indrindra dia ny ao San Antonio de los Baños.”
Mitolona amin'ny fanenjehana noho ny fanaovana tatitra momba ny fanonganam-panjakana ny mpanao gazety ao Myanmar
"Miandry ny dom-baravarana fotsiny izahay rehetra. Indraindray ianao maheno olona miakatra amin'ny tohatra, ary toy ny hoe ho any aminao izy: manana izany fahatsapana izany foana ianao."
Voasazy handoa onitra ilay mpikarakara fihetsiketsehana sarintany antserasera ao Rosia noho ny fanehoan-kevitra mamoa-fadin'ny mpandray anjara
Tsy toy ny fihetsiketsehana an-dalambe, izay mitaky alalana avy amin'ny manampahefana eo an-toerana, tsy iharan'ny fameperana ny famoriam-bahoaka an-tserasera.