Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Desambra, 2016
Miteraka Fanantenana Ho amin'ny Fanovana Amin'ny Androm-pirenena Ho an'ny Mpianatra Ireo Lehiben'ny Mpianatra
Nahatonga ahy tena mirehareha amin'ny maha-Iraniana sy nankafy ny herimpo, ny firehetam-po sy ny sorona nataon'ireo ao anatin'ny firenena ny sary sy ny kabary nitranga tao Iran tamin'ny herinandro lasa.
Ampangain'ny Mpitondra Tenin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana ho Miara-miasa Amin'ny ISIS ny Facebook
Niampanga ny mpandrindra ny Facebook ho miasa ho an'ny Fanjakana Islamika i Maria Zakharova, mpitondra teny marolokon'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Rosia, taorian'ny tsy namoahan'ny tambajotra vonjimaika ny iray tamin'ireo lahatsorany tamin'ny Alatsinainy.
#FreeMaxenceMelo: Nenjehin'ny Manampahefana Amin'ny Lalàna Mifehy Ny Heloka Antserasera Ny Tompon'ny Tranonkala Mpanao Ampamoaka ao Tanzania
Ny filazana an'i 'Tanzania' sy ny 'demaokrasia' amin'ny fehezan-teny iray dia mitovy amin'ny fanesoana ny teny hoe 'demaokrasia'.
Rosia, Shina, ary ny Tosika Hisian'ny ‘Fiandrianana Nomerika’
Ny fiarahamiasa an-tseraseran'i Rosia sy Shina dia fampitambarana namboamboarina mampiseho laharam-pahamehana iraisana: ny fahamarinan-toeran'ny fitondrana .....
Tatitra Tsy Miankina Manolotra Fahitana Manahirana Momba Ny Zo Nomerika Ao Ekoatera
Ny sehatra nomerika Mil Hojas sy Usarios Digitales dia mampiseho tatitra hafa noho ny an'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'Olombelona ho anisan'ny Fandinihana ara-potoana ny Zon'olombelona manerana izao tontolo izao.
Nobahanana Ny Tranonkala Media Sosialy Tao Kazakhstan Tamin'ny Faha-25 Taonan'ny Fahaleovantenany
Nitatitra ny mpikatroka fa tsy azo nidirana ny Facebook, YouTube, sy ny media sosialy hafa tao Kazakhstan tamin'ny Zoma, fankalazana ny faha-25 taona fahaleovantenan'ny firenena.
Mihetsika Amin'ny Fanakanana Ny Tor I Belarosia Hiadiana Amin'ny Fanafenana Anarana An-tserasera
Miroso amin'ny ezaka hanenjehana ny Tor i Belarosia. Kanefa moa ve manana ny fahaiza-manakana ny tambajotra manafina anarana i Minsk ?
Nahazo Sazy 10 Taona An-tranomaizina Tsirairay Avy Ireo Tanora Roa Mpikatroka Nanao Graffiti Tamin'ny Sarivongan'ny Patriarkan'i Azerbaijan
" Tsy tiako ny ho tsarovana amin'ny fialan-tsiny amin'ny teniko farany .Tsy manaiky ny fanagadrana ahy aho. Mankafy ny fahafahana aho."
Lasibatry ny Governemanta Sodaney ny Mpikatroka, Tampenam-Bava ny Fampahalalam-baovao Mitatitra Tsy Fankatoavam-Bahoaka
Nanomboka tamin'ny 27 Novambra ny hetsika tsy fankatoavam-bahoaka rehefa nesorin' ny governemanta ny fanampiana ara-bola amin'ny herinaratra, ny akoran'afo ary ny fanafody.
Nanatontosa Fanentanana Hanafoanana Ny Lalàna Manenjika Mpitrifana Nanamelohana Azy Ilay Bilaogera Rosiana
Nanao fanangonan-tsonia hanafoanana ny lalàna andininy faha- 282 ao amin'ny Fehezan-dalàna Ady Heloka Bevava Rosiana ilay bilaogera malaza, Nossik, voaheloka tamin'ity lalàna ity."