Tantara mikasika ny Fanampenam-bava tamin'ny Marsa, 2017
Mpanao Didy Jadona ve ny Filohampirenena ao Kazakhstan? Ianao no Mandidy.

Tao anatina tafatafa vao haingana niarahany tamina mpanao gazety voafantina, nisahirana nanazava ny antony tsy mbola mampifanaraka foana ny fiarahamonina Aziatika amin'ny demokrasia i Nazarbayev.
Naaton'ny Fitondrana Miramila Thailandey noho ny ‘ Fitsikerana Tsy Am-piheverana’ sy ny ‘Votoaty Mitongilana’ ny Voice TV
"Manamafy izahay fa tsy mandrahona ny filaminam-pirenena ny votoaty na dia mety hanome fomba fijery hafa aza ny Voice TV. "
Tanora Iraniana Miatrika Fanamelohana Ho Faty Noho Ny Lahatsoratra Manohitra Ny Islamo Tao Amin'ny Media Sosialy

"Maritiora tamin'ny ady nandritra ny valo taona ny raiben'i Sina. Nanompo ny tafika nandritra ny roa taona i Sina . Manan-jo bebe kokoa noho ny ankamaroan'ireo manampahefana eto amin'ity firenena ity i Sina ."
Nosamborin'ny Manampahefana Emira Arabo Mitambatra Ny Mpikatroka Mpiaro Ny Zon'Olombelona Iray Ary Nohalavaina Ny Fihazonana Ny Hafa

Tamin'ny 20 Martsa, nisambotra ilay mpiaro ny zon'olombelona Ahmed Mansoor tao an-tranony ny polisy.Nandà ny hamoaka an'i Osama al-Najjar ny manampahefana Emirà Arabo Mitambatra mandritra izany , na dia efa nahavita ny saziny tany am-ponja aza izy.
Goatemalà: Niharan'ny Fanafihana DDoS Ny Fampahalalam-baovao Namoaka Tatitra Momba Ny Fahafatesan'ireo Tovovavy

Nanadihady tovovavy tsy ampy taona roa niangana tamin'ny loza nitranga tao amin'ny Trano Fialokalofana "Vierge de l'Assomption" ny vavadiham-baovao Nómada, ora vitsy taty aoriana, nisedra olana ny tranonkala.
Mampitroatra Ny Fivavahana Mpitahiry ny Nentindrazana Ao Malezia sy Singapaoro Ny ‘Fotoam-Pelaka’ Vaovao Ao Amin'ny Disney
Tsy faly mikasika ilay famerenana mamokatra ilay sarimihetsika Disney ''Ilay Vehivavy Tsara Tarehy Sy Ilay Bibidia'' ireo vondrona ara-pinoana sy ny fanjakana mpanao sivana ao Singapaoro sy Malezia noho ny fisianà hetsika pelaka mivantana ao anation'ilay sarimihetsika
Tato Anatin'ny Roa Volana, Tsy Afaka Niditra Aterineto Ireo Kamerone Mpiteny Anglisy
Azo atao ny miditra amin'ny aterineto ao Kamerona, afa-tsy ho an'ireo any amin'ny faritra miteny anglisy. Nahoana ?
Ambany Alokalok'i Shina : Hivarotra Ny Fahalalahana Akademika Ve Ny Oniversite Taiwaney?
Nahatonga fametrahana marimaritra iraisana nampiahiahy ny fitambaran'ny fanerena ara-politika sy ara-toekarena ao amin'ny oniversite ao an-toerana .
Fampitandremana Sivana Nataon'i Rosia Tamin'ny Foibe Fampielezam-Peo, Nahatonga Tebiteby Vetivety

Haingana -sady vetivety- no niparitahan'ilay tebiteby momba ilay famoretana iray hafa atao amin'ny haino aman-jery Rosiana tamin'ny 10 Febroary rehefa novakian'ny vaovao fa nampitandreman'ny Roskomnadzor, mpiandry ny haino aman-jery avy amin'ny fanjakana, ny foibe fampielezam-peo Ekho Moskovy (Akon'i Maosko) fa mety hakatona.
Kyrgyzistan, Fampahalalam-baovao Torian'ny Mpampanoa Lalàna ho Manevateva ny Filoha

Niampanga fampahalalam-baovao lehibe roa ho nanevateva ny filoha tamin'ny fanapariahana "vaovao diso" momba azy ny mpampanòa lalàna ambony ao Kyrgyzistan ary nilaza fa hangataka onitra any amin'ny tribonaly ny biraony.